Socio-eco

« LE ZOMA DE TANA » : Resy teny amin’ny fitsarana ny kaominin’Antananarivo renivohitra


Miverina amin’ny hetsika « Le Zoma de Tana »  etsy amin’ny Parvis  Analakely raha ny didy navoakan’ny fitsarana misahana ny ady atao amin’ny fanjakana androany Alakamisy 23 Mey 2019. Naaton’ity fitsarana ity ny fanampahan-kevitra noraisin’ny tale kabinetran’ny kaominana Antananarivo Renivohitra (CUA) ary nampanan-kery ny fahazoan-dalana azon’ny « Le Zoma de Tana » hampiasa ny toerana eo Analakely. Tokony mijanona noho izany ny hetsika fetin’ny reny karakarain’ny kaominina eo amin’io toerana io. « Lainga  ny fanambaran’ny kaominin’Antananarivo renivohitra omaly fa tsy nahaloha ny vola fanofana io toerana eo amin’ny lapan’ny tanana io ny mpikarakara ny hetsika « Le Zoma de Tana ». Voaporofo nandritra ny fitsarana izany satria naseho ireo taratasy nandoavam-bola. », hoy ny  mpisolovavan’ny mpikarakara ny « Le Zoma de Tana », Aliarivelo Maromanana. Tsy nety nadray ilay didim-pitsarana ny tao amin’ny kaominina raha nanatitra izany izy ireo androany tolakandro. Mandika lalana ny ao amin’ny CUA izay mandà ny didy navoakan’ny fitsarana iny, hoy hatrany ity mpisolovava ity. Nasain’ny  tao amin’ny CUA miverina rahampitso Zoma 24 Mey 2019 amin’ny 10 ora maraina kosa anefa izy ireo. Noamafisin’ny mpikarakara ny hetsika « Le Zoma de Tana » fa tsy hanakorontana izy ireo satria misy amin’ireo mpivarotra ao ankehitriny no manana trano eva izay tokony mivarotra ao amin’ny « Le Zoma de Tana ». Nanambara sy nametraka hafatra ho an’ireo mpivarotra mpiara-miasa amin’izy ireo fa voatazona ireo teti-andro rehetra amin’ity taona 2019 ity eo amin’ny Parvis Analakely io.

Amin’ny toe-javatra tahaka izao dia ny mpivarotra no tena voa mafy satria lasa mandoa vola in-droa na ihany koa maty antoka ho an’ireo izay tsy afaka nandray anjara nefa efa vonona ny hanome fahafaha-pon’ny mpanjifa mandritra ny « Le Zoma de Tana » izay tokony efa nanomboka.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *