Evenement

“Lazao izay tianao ho lazaina” (RDJ) : Nomena sehatra ny Mpiandry


 

“Ny mpamosavy moa dia olombelona ka mety hisy azy daholo ny tanàna rehetra, na dia any Soatanana aza! Tsy mba mety tojo matotoa sy avelo kosa aho, na dia niteny tokoa aza i Dada Rainisoalambo fa izy dia nivavaka tamy fahasivy, izany hoe ny maty, matotoa, avelo, angatra, ambiroa, aloka, lolo, zavatra, razana…

Kanefa raha vao ny anarana hoe JESOSY TOMPO no handroahana an’ireo rehetra ireo, dia mirifatra tsy manan-kery tsy manam-pahefana hoatran’ny tsy teo ny fanahy ratsy rehetra”. izany no navalin-dRazaka Oliva ny fanontaniana napetraka taminy amin’ny maha Mpiandry azy, raha niresaka mivantana nandritra ny ora iray tamin’ny fandaharana “Lazao izay tianao lazaina” (RDJ) izy.

Novalian-dRazaka Oliva avokoa ireo fanontaniana nisesisesy napetraky ny Mpihaino tamin’ny Internet. Anisan’ireny ny asam-pifohazana toy ny Tafika Masina izay mety hipaka amin’ny “extrêmisme” ka mety hiteraka fifanandrinana eo amin’ny mpino silamo sy hiteraka korontana. “Jehovah hiady ho anareo fa hianareo kosa hangina” (Eks. 14, 14), Io no “canon” kanonta be hoy Razaka Oliva, fa mpitrifana ireny manimbazimba kolontsain’ny hafa ireny. Novaliany am-pitiavana avokoa hatramin’ireo fanontaniana miendrika hatsikana toy ny makasika ny somotra sy ny hamama isalorany rehefa miasa. Nilaza koa izy fa nisafidy ny tsy ho mpikambana anaty Vokovokomanga satria izy indraindray miditra amina toerana fidorohana zava-pisotro misy alikaola na “bar”, ary ireo toerana fiseraseran’ireo marefo ara-panahy. Mampahery ireo mbola miankindoha amin’izany izy, koa raha misy iray afaka sy miebaka dia mino izy fa faly ny any an-danitra…

Ireo rehetra ireo dia nialohavan’izay tian’ny vahiny lazaina mikasika ireo vaovao rehetra nitranga eran-tany sy teto an-toerana: politika, fihariankarena, sosialy, kolontsaina, spaoro.

O.R

                                                           bv-delire2


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *