Sport

LALAON’I NIGER SY MADAGASIKARA : Mangataka fiaramanidina manokana amin’ny fanjakana ny FMF


Hifandray tanana sy hifanampy indray ny malagasy amin’ny lalao ihaonan’ny ekipa-pirenena Malagasy, Barea, amin’i ekipa-pirenena Etiopiana, Walya  (Bouquetin d’Abyssinie)  ny 16 Novambra 2019 etsy Mahamasina ao anatin’ny fifanintsanana ho any amin’ny CAN 2021 atao any Cameroun ny volana Jona sy Jolay 2021 . Vonona ny Barea amin’io lalao io, hoy ny mpanazatra, Nicolas Dupuis. Mifanakaiky ny lalao ihaonan’ny Barea amin’ny Walya sy ny Mena ( Gazella dama), ekipa-pirenen’i Niger . Ny 19 Novambra 2019 no hanafika any Niger ny Barean’i Madagasikara. «Mangataka ny fanjakana hanome fiaramanidina manokana akanesana any Niger mba hanamora ny fahatongavan’ireo mpilalao malagasy hiatrika io lalao io ny filohan’ny FMF, Raoul Arizaka Romain.  Efa nahavita  nitondra malagasy nanohana  ny Barea tany Egypta ny fanjakana tamin’ny alalan’ny fiaramanidina manokana tamin’ireny lalao CAN 2019 ireny. Koa nahoana moa no tsy ho vitan’ny fanjakana izany ?». Na izany aza anefa dia efa misy ny fandaminana hahatongavana any Niger satria ny 17 Novambra 2019 no hanainga ny Barea.

25 mirahalahy no hanatrika ny fampivondronana amin’ny fiatrehana ny Walya. Nisy fiovana kely ireo mpilalao nantsoina tao aorian’ny lalao nihaonan’ny Fosa Juniors tamin’i RS Berkane. Miisa efatra ny mpiandry tsato-by : Melvin Adrien, Razakanirina (Nina), Rajomazandry (Joma) ary Fabrice Andriatsilavina. Roa tsara indrindra amin’izy ireo no mandeha any Niger. Mpiandry vodilaharana havia sy havana : Jérôme Mombris, Romain Metanire, Mario Bakary. Mpiandry vodilaharana afovoany kosa dia ahitana an’i Jeremy Morel, Thomas Fontaine, Theodin Ramanjary, Ando. Eo amin’ny afovoany, Abel Anicet kapiteny vaovaon’ny Barea, Marco Ilaimaharitra, Ibrahim Amada, Andriamirado (Dax), Rayan Raveloson, Baggio Romario, Dimitry Caloin. Eo amin’ny mpanafika kosa , Voavy Paulin, Carolus, Bolida, Faneva Ima, Njiva, Arnaud ary Jean Yves Razafindrakoto. 18 kosa ny mpilalao hiatrika ny lalao ihaonan’ny Barean’i Madagasikara amin’i Gazella dama avy Niger. Marihana fa iray vondrona amintsika ny ekipa-pirenena Côte d’Ivore, Niger ary Ethiopie.

Hanampy ny FMF ny FFF

Nihaona tamin’ny filohan’ny  Fédération Football Française (FMF), Noël Le Graët ny filohan’ny FMF, Raoul Arizaka Romain. Mavitrika ny hiara-hiasa amintsika ny FFF amin’ny alalan’ny fanofanana   toy ny eo amin’ny sehatry ny fahasalaman’ny mpilalao ( Médecine du football) any amin’ny ligy.  Eo ihany koa ny fanofanana ireo mpitsara malagasy ary fanomezana fitaovana ho azy ireo. Zava-dehibe ihany koa ny hanaovana lalao ara-pirahalahiana ataon’ny ekipa-pirenena frantsay amin’ny ekipa-pirenena malagasy izay ho dinihina ny mba hisian’izany.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *