Socio-eco

LALAN’NY FRANKOFONIA : Notokanana ihany na dia tsy vita hatramin’ny farany aza.


Misokatra ho an’ny rehetra ny lalana mampitohy an’ Ankasina sy ny lalana mankany Ivato.  Etsy ankilany, entina hanamorana ny fifamoivoizana mandritra ny fihaonana an-tampony ny firenena mampiasa ny teny Frantsay  eto Antananarivo no tena antony  nanamboarana azy ity. Lalana mirefy 4, 759 km. Ny orinasa sinoa CRBC no nanamboatra izany.

Na dia efa notokanana tamin’ny fomba ofisialy omaly faha-18 novambra 2106 aza io lalana vaovao io, dia mbola handalo fanatsarana indray aorian’ny vanim-potoanan’ny orana.

Araka ny fanazavan’ ny orinasa nanatanteraka ny tetikasa, manaraka ny fenitra iraisam-pirenena io lalana io na dia tao anatin’ny enim-bolana monja aza  no nanaovana azy. Fanamby ho an’ny orinasa rahateo ny fanamboaran-dalana  amin’ny fomba moderina kanefa tsara kalitao.

Tonga nanotrona ny lanonana niaraka tamin’ny Filoham-pirenena Malagasy, Hery RAJOANARIMAMPIANINA, ny Masoivoho an’ny Chine miasa eto Madagasikara, ny mpikambana ao amin’ny governemanta ary ny ratsa-mangaikam-panjakana.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *