Socio-eco

LALANA NIHOTSAKA ETSY SOANIERANA: Natomboka tamin’ny “tagnamaro” ny asa fanamboarana


Efa ho herintaona no tapaka ny lalana eny amin’ny fokontany Soanierana III i Cité Gare. Voatery miodina any Tsimbazaza na Ankadimbahoaka ny fiara na ny “taxi be” ary mandeha tongotra amin’ny fiakarambe ireo mponina. Raha ny hita teny an-toerana dia nihotsaka vokatry ny orana tamin’ny fotoam-pahavaratra farany teo ny lalana mampitohy an’i Soanierana ambony sy eo amin’ny Descour Ankadimbahoaka. Noho tsy fisian’ny fanamboarana dia niitatra izany ka lasa lavaka be.

Namaly ny fitarainan’ny mponina sy ny antso nataon’ny mpanolontsainan’ny tanana an’ Antananarivo Renivohitra ny ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina. Ka handray an-tanana ny fanamboarana io lalana io miaraka amin’ireo matihanina amin’ny fanamboaran-dalana. Nisy ampahany tamin’ny asa no natomboka tamin’ny alalan’ny hetsika “tagnamaro, andron’ny olom-pirenena” izay natao ny sabotsy 17 aogositra 2019 lasa teo. Nifandrimbonan’ny mpiasan’ny ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina ny fampiakarana ireo vato malao tao anaty lavaka.

Raha ny fanazavan’ny lehiben’ny fokontany, Razafindramanitra Emmanuel dia olona 26 avy amin’ny tokantrano enina no traboina vokatr’ity fihotsahana ity satria nibosesika tany amin’ny trano fonenan’izy ireo ny ranon’orana. Zava-doza hoy izy no hitranga raha mbola tratry fahavaratra manaraka io lalana io ka isaorana ny ministera nanomboka ny asa. Nomarihany fa efa nandefa fitarainana teny anivon’ny kaominina an’Antananarivo Renivohitra sy ny ministera misahana ny fanamboaran-dalana ny fokontany.

Nilaza kosa ny ministry ny serasera sy ny kolontsaina, Andriatongarivo Rakotondrazafy Lalatiana fa roa volana ny faharetan’ny fanamboarana ary nampanantena ny tenany fa hovitaina hatramin’ny farany izany kanefa vao maika tsara raha misy tomponandraikitra hafa maniry ny hanamboatra izany. Ankoatra teny Soanierana, nanamarihan’ny ministera foibe ny hetsika tagnamaro andiany faha-enina ny asa fanadiovana ny teny Ambodifilao, Tsaralalana ary Petite Vitesse.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *