Socio-eco

LALANA MOMBA NY TANIN’OLON-TSOTRA TSY VITA TITRE : Heritreretin’ny fanjakana hahitsy indray mandeha ho tombotsoan’ny malagasy


Hakan-kevitra ny fanitsiana ny làlana N°2021-016 ny 28 Oktobra 2021. Tonga saina ihany ny fanjakana fa misy tsy mety io làlana momba ny tanin’olon-tsotra tsy vita titre io ka ilaina hahitsy ho tombotsoan’ny malagasy. Ho tanterahana ny 20 – 21 aprily 2022 eny amin’ny Tometal Hotel Mahamasina ity fakan-kevitra ity. Fiarahamonina miisa 20 no handray anjara amin’ny dinika.  Matetika hakana hevitra hatrany ny mpisehatra mifandraika amin’ny fanitsiana na fandrafetana làlana iray fa rehefa tonga ho laniana eny amin’ny antenimiera roa tonta dia miova tsy araka ny nandinihana azy. Amin’ity fakan-kevitra iray ity izay miantraika mivantana amin’ny vahoaka malagasy ny vokany dia mba tena hitsinjo ny tombotsoan’ny be sy ny maro ny fanjakana amin’ny alalan’ny Ministeran’ny ny Fanajariana ny Tany sy Fananan-tany . « Foton-kevitra hijoroanay, mitazona ny ilay atao hoe , fiheverana fa tanin’olon-tsotra ny tany tsy vita titre kanefa efa nipetrahany. Famporisihana làlana tany aloha io  ary fisokafana amin’ny fanomezana tany  ho an’ny malagasy indrindra ho an’ilay 80% tantsaha mivelona amin’ny tany », hoy ny mpandrindra nasionalin’ny Sehatra Iombonanan’ny ho any Fananan-tany (SIF), Eric Raparison.

Fa nahoana no tsy nihaino ny fitarainan’ny mpisehatra tamin’io làlana N°2021-016 ny 28 Oktobra 2021 io ny ministra teo aloha i Hajo Andrianainarivelo  fa misy andininy tsy mifanaraka amin’ny tombotsoan’ny malagasy mampiasa ny tany tsy vita titre ?

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *