Socio-eco

LALAM-PIOFANANA “AUDIOVISUEL ET CINÉMATOGRAPHIE” : E-media irery ihany no nahazo fankatoavana


Sambany teto Madagasikara no nisy nahazo diplaoma momba ny “audiovisuel et cinématographie”. Mizara roa ny e-media ka voalohany amin’izany ny fampianarana ambony hahazoana ny diplaoma licence sy ny master ary fampiofanana arak’asa ny faharoa. Efa nahazo fankatoavana avy amin’ny fanjakana ireo lalam-piofanana ao amin’ny oniversite. Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy ny 30 novambra 2018 ireo andiany voalohany nahazo ny diplaoma licence. Nisalotra ny anarana “e-mpyrian” ireto andiany ireto. Notontosaina tamin’io fotoana io ihany koa ny fizarana ny mari-pahaizana (certificat de fin de formation et diplôme de technicien supérieur) an’ireo nahavita ny fiofanana arak’asa momba ny sary, ny feo ary ny “web”. “E-taratra” ny anaran’ity andiany faha-enina ity. Raha ny tarehimarika voaray, 294 ny fitambaran’ireo mpianatra nozaraina mari-pahaizana ireo.
Nambaran’ny filoha tale jeneralin’ny E-media, Rojo Andrianasolo fa ny e-media irery no mbola nahazo fankatoavana avy amin’ny fanjakana ny lalam-piofanana momba ny “audiovisuel et cinématographie”. Ireto avy ny lalam-piofanana hahazoana diplaoma licence ao amin’ny oniversite E-media: “communication audiovisuelle et numérique”, « marketing publicité et journalisme », « informatique et électronique embarquées ». Ankoatra ny “audiovisuel et cinématographie” dia efa misokatra amin’ny fomba ofisialy ihany koa ny fiofanana hahazoana ny diplaoma master.

Lynda A.


One comment on “LALAM-PIOFANANA “AUDIOVISUEL ET CINÉMATOGRAPHIE” : E-media irery ihany no nahazo fankatoavana

  1. Pingback: LALAM-PIOFANANA “AUDIOVISUEL ET CINÉMATOGRAPHIE” : E-media irery ihany no nahazo fankatoavana - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *