Socio-eco

KRISTIANINA MANAM-PAHAIZANA Tarigetra ny fampandrosoana mirindra


Amin’ny alahady 11 martsa 2018 ny  fivoriana iraisam-pirenena  fanaon’ny “Leadership Chrétien Développement” (LCD) isan-taona. Eny amin’ny CCI Ivato   no hanatanterahina izany.  12 taona izany no nijoroan’ny LCD  ara-panjakana. Hatramin’izay nisiany izay, kristianina mifanampy no tarigetran’ny fikambanana.  Tamin’ny  29 janoary 2006 ny “Leadership Chrétien Développement” no nijoro ara-dalana. Ireo manam-pahaizana te hizara ny traikefany sy hitondra ny anjara birikiny amin’ny fampandrosoana mirindra ny mpiray tanindrazana no nanorina azy”, hoy ny Filoha mpanorina ny fikambanana LCD, Hery Rajoelison.

Mampivondrona ny mpandraharaha kristianina Malagasy toy ny tomponandraikitra ambony, mpisehatra amin’ny fampandrosoana sy ny fanampiana ho an’ny fifampandrosoana ny LCD. Mivelatra amin’ny amin’ny sehatra efatra toy ny kolontsaina, sosialy, toekarena, tontolo iainana ny fampandrosoana sahaniny.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *