Socio-eco

KOHEN RIVOLALA : Nivoaka ny fonja.


Afaka madiodio i Kohen Rivolala. Io no didim-pitsarana nivoaka omaly tao Toliara mahakasika ny raharaha ambalavelona, ka nampidirana am-ponja an’i Kohen Rivolala, tao Miandrivazo. Noho ny sahoan-dresaka nandeha tao Miandrivazo anefa dia nafindra tany amin’ny fonja any Toliara izy, ary tao no niandry ny fitsarana azy. Niampangana azy tamin’izany ny fanaparitahana ambalavelona tao Miandrivazo, satria betsaka ny mpianatra voalaza fa nanaporofo ny maha meloka an’ity Kohen ity. Voaheloka higadra herintaona an-tranomaizina, sazy mihatra i Kohen tamin’io. Nampakatra fitsarana ambony ny lehilahy ka izao afaka madiodio izao. Naharitra herintaona latsaka teo no nitanana azy am-ponja. Taorian’ny fivoahan’ny didim-pitsarana omaly dia efa naneho hevitra i Kohen Rivolala, ka nanamafy fa tsy izy no nanaparitaka ny ambalavelona. Nambarany aza fa noho ny fampidirana am-ponja azy no nampihetsika ambalavelona an’ireo olona maro. Hanohy ny asany avy hatrany izy, satria ny fotoana nijanonany ela tany am-ponja dia nahafahany nanangona hery vaovao, entiny hanasoavana indray ny mpiara-belona, raha ny fanazavany omaly.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *