Socio-eco

KITS SOLAIRES STARTIMES S50: Manome herinaratra mandritra 30 ora ary afaka aloa tsikelikely ny vidiny


Vahaolana ho an’ny delestazy sy ireo tanàna tsy mbola misy herinaratra.  Raha famokarana televiziona nomerika andoavam-bola no nahafantarana ny Startimes hatramin’izay dia nanitatra ny tolotra omena ny mpanjifa ny orinasa. Nampahafantarina ny 26 aogositra 2022 teny Ankorondrano ny vokatra vaovao atolotry ny Startimes ny vahoaka Malagasy. Manomboka izao dia mivarotra kits solaires  ahitana “panneau photovoltaïque”  10 W, vatoaratra  34 Wh,  ary takamoa  miisa telo  (03) ny Startimes. Araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny serasera eo anivon’ny Startimes Madagasikara, Zafera Joyce fa ao anatin’ny efatra (04) ora monja no hamahanana ny vatoaratr’ilay kits ary manome herinaratra mandritra ny 30 ora izany. Adiny enina (06) ka hatramin’ny adiny fito (07) ny faharetan’ny  ireo takamoa.  Azo hihainoana radio, ahitana fitoerana USB sy carte SD ihany koa io kit solaire S50 io. Ankoatra izany dia azo hamahanana ny vatoaratrin’ny finday ihany koa.

Afaka aloa tsikelikely

Raha vidiana indray mandeha ny “kit solaire” Startimes S50 dia 229.000 Ariary ny vidiny. Afaka aloha tsikelikely ihany koa anefa izany. “Afaka aloa ao anatin’ny enim-bolana na 13 volana ny “kit solaire” Startimes S50. Raha  misafidy ny andoa izany ao anatin’ny enim-bolana ny mpanjifa dia mandoa 49.000 Ariary amin’ny voalohany. Aorian’izay dia mandoa 16.800 Ariary  isan-kerinandro na 72.000 Ariary isam-bolana. 45.000 Ariary kosa no aloa voalohany  raha misafidy ny handoa mandritra ny 13 volana. 8.400 Ariary  isan-kerinandro na 36.000 Ariary isam-bolana kosa aorian’izay”, hoy  hatrany i Zafera Joyce.  Nambarany fa natao hamahana ny fahatapahan-jiro sy hanampiana ireo tokantrano any amin’ireo toerana tsy mbola misy herinaratra ity tolotra vaovao omen’ny Startimes ity.  Tsara ho fantatra fa ny taona 2017 no efa nanaparitaka “kits solaires”tany amin’ireo firenena afrikanina hafa ny Startimes.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *