Sport

Kitra Amboaran’i CAF : Nihintsana ny ekipan’ny AS Adema


 

Tsy nahavita valin’ady fa tahaka ny tamin’ny taona lasa ihany fa dia teo amin’ny dingan’ny savaranonado hatrany dia nijanona ny dian’ny ekipan’ny tompondakan’I Madagasikara ny AS Adema teo amin’ny fiadiana ny amboaran’ny CAF 2016.

Mbola lavon’ny Harare City tamin’ny isa 3 noho ny 1 ihany mantsy ity ekipa tompondakan’I Madagasikara ity nandritra ny lalao miverina izay natao tany amin’ny kianja sintetikan’ny Mahajanga.

Tsy nahay nitazona isa

 Raha ny fizotry ny lalao aloha dia nitovizana ny fanafihana tamin’ny fizram-potoana voalohany fa saingy nanatombo ny ekipa tompontrano tamin’ny fampidirana ny baolina voalohany tamin’ny alalan’ny Coup franc teo amin’ny 29metatra aty amin’ny ilany havia izay nodakan’I Babou ka tsy nisy nikitika fa niditra mora foana tany amin’ny haraton’ny Zimbaboeana tany amin’ny minitra faha 39.

Betsaka teo no nieritreritra fa ho mora foana ho an’ny As adema ny amin’ny dingana faharoa. Ny nifanohitra tamin’izany anefa no niseho satria tao anatin’ny folo minitra dia nahatafidityra baolina telo izao ny ekipan’ny Harare City tamin’ny alalan’I manvivier teo amin’ny minitra faha 55, mbola nampian’I Madhanga indray ny baolina faharoa azy ireo teo amin’ny minitra faha 64 ary I Kumwana no namarana ny isa ho telo tamin’ny minitra faha 70.

Mbola  betsaka ny goragora

Raha ny fahitan’ny mpitia kitra ny lalao dia hita ihany ny goragora ho an’ny mpilalaon’ny AS Adema teo amin’ny fampidiram-baolina. Mbola tsy ampy fahamatorana kely ihany koa ny teo amin’ny irakiraka afovoany sy ny vodilaharana . na izany aza dia mety ho tsara ity ekipan’ny Ivato seranana ity raha mitohy hatrany ny fiarahana ho an’ireo zandry ireo izay tena manana vatana tokoa.

José R


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *