Sport

KINTANA AKADEMIA: Hanangana ivon-toerana lovain-jafy ho an’ny baolina kitra


Mifanindran-dalana amin’ny famolavolana ireo mpilalao handimby ny Barea. Niara-teraka tamin’ny “Kintana Akademia”  ny “Alefa Next Generation” ho famporisihana ny tanora malagasy sy hampidirana an’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena momba ny baolina kitra matihanina.  Manana vina hanangana akademia manara-penitra sy maharitra ho an’ny baolina kitra ity tetikasa ity. Eny Ambohimanga no hametrahana  ny “Centre d’Excellence de Football Durable” (CEFD) izay mirefy dimy hektara. Araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny tetikasa fa entina hampianarana sy ny hampiofanana ireo tanora manan-talenta, amin’ny lafiny ara-panatanjahantena  io ivon-toerana io. Mpilalao 30 no handray an-tanana ny CEFD, aorian’izay dia hisy  fisafidianana mpilalao isaky ny faritra, hamenoana ireo sokajy taona (U15 sy U17). “Tanjon’ny klioba ny hamolavolana ireo mpandimdy ny Barea (Next generation de Barea)”.

Fiarovana ny tontolo iainana

Ahitana toeram-pisakafoana, “cantine”, trano fatoriana, ivon-toeram-pahasalamana, tranom-boky, “salle d’informatique” ary ivon-toerana fanaovana fanatanjahantena izay misy kianja filalaovam-baolina ny Kintana Akademia.  Ankoatra izany,  ho fampihenana ny asa ataon-dRaolombelona, miteraka voka-dratsy ho an’ny tontolo iainana dia angovo azo havaozina (biogaz, solaire) no hampiasaina ao amin’ny ivon-toerana. Ho arindra ny fitantanana ny fako ary hahodina izany.  Ho diovina ihany koa ny rano avy nampiasaina sy ny ranon’orana voaangona mba ho azo ampiasaina indray.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *