Socio-eco

KIMIA COSMETICS MADA: Marika tena izy ny “produits cosmétiques” ao


Zava-doza ho an’ny fahasalaman’ny mpanjifa ny fividianana  ireo vokatra ampiasaina amin’ny fikojakojàna ny endrika amam-bika (produits cosmétiques) hosoka. Miparitaka izay tsy izy eto Madagasikara  anefa  ireo vokatra alatahaka, hikoloana ny tarehy, ny volo sy ny maro hafa. Nambaran’ny mpitantanana ny Kimia Cosmetics Mada, Andrianalison Omega nandritra ny fisokafan’ity  sampana  iray ao amin’ny  Nogae Group International ity, ny 17 jolay 2019 teny Ankorahotra fa  betsaka amin’ireo mpanjifa no voafitaka satria mitovy amin’ilay marika tena izy ny vokatra vidiana kanefa tsy mahomby akory rehefa hampiasaina. Mitera-doza mihitsy aza indraindray. “Adinoko ny lokomenako dia nindrana ny an’ny namako aho. Taorian’izay anefa dia nisy vay be dia be ny molotro”, hoy ny  fijoroana vavolombelona  nataon’ny mpitantana ny  Kimia Cosmetics Mada.

Marika frantsay ny ankamaroan’ ireo “produits cosmétiques”  tena izy amidy eto amintsika. Noho ny fahefa-mividy sy ny fari-piainana anefa dia mahazo vahana ny fanafarana ireo vokatra alatahaka. Matetika tsy mahafantatra akory ny voka-dratsin’ireny ny ankamaroan’ny mpanjifa, hoy hatrany ny fanazavan-dramatoa Andrianalison Omega.  Nilaza izy fa ny vokatra no hamantarana na hosoka na tsia ilay “produits cosmétiques”.  Mba tsy ho voafitaka dia eny amin’ireo tranom-barotra nahazo alalana  hivarotra ireo marika tena izy no tokony hividy  ny vokatra hikoloana ny endrika amam-bika. Izany indrindra no antom-pisian’ny Kimia Cosmetics eto Madagasikara mba ahafahan’ny vehivavy sy ny lehilahy malagasy mikolo ny endrika amam-bikany ampitoniana. Ankoatra ny fivarotana ireo vokatra amin’ny antsinjarany, ambongadiny dia manana “salon de coiffure” ihany koa ny Kimia Cosmetics eny Ankorahotra, ampitan’ny fivarotam-panafody Hanitra (ex-tout pas cher).

Nirina R.


One comment on “KIMIA COSMETICS MADA: Marika tena izy ny “produits cosmétiques” ao

  1. Pingback: KIMIA COSMETICS MADA: Marika tena izy ny “produits cosmétiques” ao - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *