Sport

KIANJAN’NY ELGECO PLUS: Manaraka ny fenitra iraisam-pirenena


Nitombo iray indray ny kianja filalaovana baolina kitra manara-penitra eto Madagasikara. Notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny 12 aprily 2019 ny « terrain synthétique » an’ny klioba Elgeco Plus eny amin’ny By Pass Ambohijanaka. Nanatrika izany ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara Rajoelina Andry, ny ministry ny tanora sy ny fanatahanjahantena, Tinoka Roberto niaraka tamin’ireo manam-pahefana isan-tsokajiny. Nambaran’ny filoham-panorina ny klioba Elgeco Plus, Randriamanampisoa Alfred fa manaraka ny fenitra iraisam-pirenena io kianja io ary afaka mandray lalao baolina kitra iraisam-pirenena. Ahitana trano fisakafoana ihany koa ity foto-drafitr’asa vaovao ity mba ahafahan’ireo mpilalao misakafo.

Mbola tsy vita tanteraka ny foto-drafitr’asa fa vao ny kianja iny notokanana iny izay valo volana ny faharetany nanamboarana azy. Ao anatin’ny asa mbola ho atao manaraka ny fanamboarana hotely, ny tribune central ary ny gradin. Tamin’io fotoana io no nametrahana ny vato fototra ho an’ny tribune central ary ny gradin. Roa taona ny fitambaran’ny fotoana hamitàna  tanteraka foto-drafitr’asa raha ny vina tany am-boalohany, hoy hatrany Randriamanampisoa Alfred. Ankoatra izany dia mampiavaka ity kianja ity ny fisian’ny “pilone” sy ny “projecteur” mba hanazarana ny mpilalao amin’ny fifaninanana amin’ny alina. Mahazaka mpijery 2000 ny kianjan’ny Elegeco Plus eny By Pass Ambohijanaka. Raha ny fantatra dia ny klioba sy ny mpiara-miombona antoka aminy no niara-nisalahy tamin’ny fanamboarana. Mbola miantso ireo malala-tanana afaka manampy amin’ny famitàna tanteraka ny kianja iray manontolo anefa ny filohan’ny klioba.

Lynda A.


One comment on “KIANJAN’NY ELGECO PLUS: Manaraka ny fenitra iraisam-pirenena

  1. Pingback: KIANJAN’NY ELGECO PLUS: Manaraka ny fenitra iraisam-pirenena - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *