Socio-eco

KATRO & CO: Modely ny toeram-pivarotan’i Selesy mofo akondro


Tsy iadian-kevitra intsony ny hatsaran’ny kalitaon’ny mofo akondro amidin’i Selesy eny Ambohijatovo Avaratra. Na dia efa miharatsy aza ny toeram-pivarotany dia hifanotofan’ny mpanjifa hatrany ny tsenany. Nanapa-kevitra ny « Katro and Co » fa hanavao ny toeram-pivarotan’i Selesy. Vita soamantsara izany ary nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy androany Alakamisy 01 aogositra 2019. “Amin’ny maha mpiantsehatra  manampy ny maha olona ny  Katro and Co dia manolo-tanana maimaim-poana ireo mpivarotra madinika izahay ary tsy mangataka tamberim-bidy. Fanirianay ny hanampy mpivarotra hafa eto Antananarivo ankoatra an’i Selesy. Mason-tsivana voalohany hisafidianana ireo  mpivarotra  ny fandehanan’ny tsena na dia ratsy aza ny toeram-pivarotana”, hoy Razafindrasatrana  Haja Fahaleovantena. Efa an-dalam-pikarakarana ny antontan-taratasin’i Selesy ho lasa toeram-pivarotana ara-dalàna ary ho fitaratry ny mpivarotra hafa ihany koa ity mpikatroka amin’ny lafiny ara-tsosialy ity.

 Vola voaangona avy amin’ireo Malagasy mila ravinahitra any ivelany no nahafahana nanamboatra, nandoko ny toeram-pivarotan’i Selesy sy nividianana fitaovam-panendasana vaovao. Mitentina 600 euros ny totalin’ny fandaniana. Ny valin-tenin’ireo mpikambana tao amin’ny  groupe facebook  Katro Community no nosafidianana ity mpivarotra mofo akondro ity. Fanontaniana napetraka tamin’izany ny hoe: “Iza no mpivarotra tsara mofo akondro indrindra”. Mofo akondron’i Selesy no voaresaka be indrindra tao.  Nambaran’i Selesy fa avy any Arivomamo izy ary niasa an-trano no nahatongavany teto Antananarivo. Nanomboka nivarotra mofo akondro izy ny taona 1993. 4700 Ariary no vola nampiasainy voalohany  ary tafakatra 70.000 Ariary izany ankehitriny.

Lynda A.


One comment on “KATRO & CO: Modely ny toeram-pivarotan’i Selesy mofo akondro

  1. Pingback: KATRO & CO: Modely ny toeram-pivarotan’i Selesy mofo akondro - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *