Socio-eco

Kara-tany: Afa-tahotra ny mponin’Antsahafilo


Kara-tany 1.100 isa nozaraina tao amin’ny kaominina Antsahafilo, distrikan’Ambohidratrimo.Tao anatin’ny roa taona no nanomanana ity fizarana kara-tany faobe andiany voalohany ity. Nandritra ny fanokanana tamin’ny fomba ofisialin’ny birao ifotony ny fananan-tany (BIF) ao amin’ny kaominina Antsahafilo, ny 21 aogositra 2018 no nanaovana ny fizarana ireo kara-tany ireo. Ireo tany tsy mbola manana titra sy nohajariana no nahazo izany.
Nahazo tombony ny kaominina Antsahafilo na dia 40 kilometatra miala eo amin’ny seranam-piaramanidina aza no misy azy. Nambaran’ny lehiben’ny distrikan’Ambohidratrimo fa 24 ny kaominina mandrafitra ny distrika tantaniny. Fito amin’ireo ihany no manana BIF ary ao anatin’izany Antsahafilo. Ny tetikasa ARSF (Appui à la Réforme et à la Sécurisation Foncière) no nanampy ny kaominina Antsahafilo tamin’izao hetsika izao. Manao tantsoroka ny kaominina, ny sampandraharahan’ny fananantany sy ny fandrefesantany amin’ny lafiny fananantany ny ARSF. Ny vondrona eraopeanina sy ny AFD (Agence Française pour le Développement) no mamatsy vola ny tetikasa. “Miaro ny tany ny kara-tany. Tsy miroaroa saina intsony ireo tantsaha fa hisy haka ny taniny”, hoy ny tomponandraikitra ao amin’ny ARSF, Andry Rarivoarison. Kaominina 32 miara-miasa amin’ny ARSF no manana BIF. Amin’ny herinandro ho avy izao dia efa hanomboka indray fizarana kara-tany faobe andiany faharoa. Hitombo ny tohana ara-bola ho an’ireo BIF isaky ny kaominina. Hiakatra 13 tapitrisa izany raha 5 tapitrisa Ariary izany tamin’ny andiany voalohany. Noho izany, hitombo 2000 ny kara-tany hozaraina.

Lynda A.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *