Socio-eco

KAOMININ’IVATO : Nomen’ny Prezidàn’ny Repoblika Rajoelina Andry camion benne iray sy dabapako fito


Mendrika tohanana ny ben’ny tanana miasa. Nihaiky ny Prezidà Rajoelina Andry fa miasa mafy ny ben’ ny tanànan’Ivato Randrianarisoa Penjy amin’ny fampandrosoana ny tanànan’Ivato. « Tsy hijerena loko politika ny fampandrosoana fa izay rehetra mampandroso dia mendrika tohanana avokoa satria ny vahoaka no jerena. Anisan’ireo kaominina misongadina ny kaominin’Ivato raha ny fampandrosoana ny tanàna no jerena.  Ilaina hatrany ny firaisankinatsika sy firaisam-po ary ny fiaramiasan’ny rehetra mba hahatratrarantsika ny tanjona. Madagasikara vaovao ao anatin’ny fandrosoana haingana» hoy ny Prezidàn’ny Repoblika. Noho izany dia nanome camion benne iray sy daba-pako fito ny Prezidà. « Mankasitraka izao fanomezana izao aho sy ny vahoakan’ Ivato iray manontolo », hoy ny ben’ny tanàn’Ivato. Hafaliana ny an’ny mponin’Ivato satria vao maika hadio ny tanàna ary indrindra matoky ny fahendrena sy fahaiza- mitantana izy ireo.

Ra-Nirina


One comment on “KAOMININ’IVATO : Nomen’ny Prezidàn’ny Repoblika Rajoelina Andry camion benne iray sy dabapako fito

  1. Pingback: KAOMININ’IVATO : Nomen’ny Prezidàn’ny Repoblika Rajoelina Andry camion benne iray sy dabapako fito - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *