Socio-eco

KAOMININA MAHEREZA: Taonan’ny foto-drafitr’asa ny 2018


Vita tamin’iny taona 2018 iny ny lapan’ny tanàna vaovaon’ny kaominina Mahereza. Tsy latsa-danja amin’izany ny fahavitan’ny sekoly ho an’ny ankizy, hoy ny ben’ny tanànan’i Mahereza, RAKOTOARISOA Johnny. Ankoatra izay, misy ny fiaraha-miasa amin’ny vahiny momba ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany. Vato granita no trandrahan’ireo vahiny amin’izany.
Mahazo tombony ny kaominina amin’ny fisian’io fitrandrahana io satria mampiditra vola sy mitondra foto-drafitr’asa ary indrindra miteraka asa ho an’ireo vahoaka eny ifotony, hoy izy. Avo folo heny amin’ny vola notapahan’ny mpanolotsainan’ny kaominina mihitsy no alohan’ireo vahiny amin’ny kaominina. Ankoatra io vola io dia mbola namboarin’izy ireo ny lalana. Ho tsaratsara kokoa noho ny taona nivalona iny ity taona 2019 ity raha ny vinavinan’ny kaominina mba hanasoavana ny vahoakan’i Mahereza.

Fanatanterahana no sisa

Naneho ny heviny momban’ny kabary nataon’ny prezidàn’ny repoblika, Andry Rajoelina ihany ko aizy. « Ireny no kabary nandrasan’ny vahoaka Malagasy. Ilainy ny fandriam-pahaleman’ny tany, ny filaminan’ny vahoaka ary mitady ny fahamarinana lavitry ny kolikoly ». Manana mpitondra vaovao sady tanora isika ary mino fa ho vitany izany. Fanatanterahana azy no sisa, hoy hatrany ity ben’ny tananan’ny Mahereza ity. Niantso ny mpanao politika rehetra hifanampy amin’ny prezidà mba ho tanteraka ny fampandrosoana entin’ny vina IEM.

Nirina R.


One comment on “KAOMININA MAHEREZA: Taonan’ny foto-drafitr’asa ny 2018

  1. Pingback: KAOMININA MAHEREZA: Taonan’ny foto-drafitr’asa ny 2018 - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *