Socio-eco

KAOMININA IVATO : Tsy mandeha lavitra intsony ny beantitra


Miainga amin’ny telo maraina ao amin’ny kaominina Ivato i dadabe André Ratovonoa ho an’ Ambohidratrimo isaky ny fotoam-pandraisana fisotroan-dronono. Mbola laharana faha-200 ihany izy rehefa tonga any. “Manala ny fahasahirananay ny fisian’ny trano fandraisana fisotroan-dronono eto amin’ny kaominina Ivato ity. Tsy mandeha alavitra intsony izay beantitra”, hoy i André Ratovonoa. Notokanana tamin’ny fomba ofisialy omaly 30 aogositra 2018 ny tahirim-bolam-panjakana ao Ivato (Trésorerie principale Intercommunale). Tolo-kevitra avy amin’ny ben’ny tanana an’ny kaominina Ivato, Penjy Randrianarisoa ho fitsinjovana ny beantitra no nahazoana ity tahirim-bolam-panjakana (TPIC) ity. Nambaran’ny ben’ny tanana fa misy amin’ireo beantitra no voaendaka rehefa handeha hamonjy any Ambohidratrimo noho ny fandehanana maraim-be.
Manamaivana ny fahasahiran’ny mpandray fisotroan-dronono ny TPIC Ivato. Mandray ireo mpisotro ronono ao amin’ny kaominina Ivato sy ny manodidina ity ivon-toerana ity. Mila manao fangatahana famindrana ny toeram-pandraisana fisotroan-dronono kosa, hoy i Ramaroseta Herintsoa, mpitahiry volam-panjakana ao TPIC. Ankoatra ny fizarana ny fisotroan-dronono, hanampy ara-teknika ny fitantanana ny volan’ny kaominina ihany koa no antom-pisian’ny TPIC.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *