Socio-eco

Kaominina Ivato: Miverina amin’ny vahoaka ny volany


Nitsidika ireo foto-drafitr’asa efa vita sy an-dalam-pahavitàna ny ben’ny tanàna sy ireo mpiara-miasa aminy ao amin’ny kaominina Ivato. Tamin’ny alalan’ny vola avy ao amin’ny kitapom-bolan’ny kaominina dia vita ny lalana mirefy 1500 metatra eo akaikin’ny Cheval Blanc, kartie 7 (K7). Ny vola avy amin’ny FDL (Fond de Développement Local) kosa no namitàna ny lalana mirefy 420 metatra ao amin’ny fokontany Ampandroana, kartie 4 (K4). Nilaza ny ray aman-drenin’ny tanàna iray ao amin’ny K4, Jean Baptiste Rasoamanana fa ben’ny tanàna dimy izay no nifandimby nitondra ny kaominina Ivato fa ny ben’ny tanàna Penjy Randrianarisoa ihany no nahavita ny lalana izay nampijaly azy ireo. « Fotaka no iainana rehefa fahavaratra ». Niampy iray indray ny EPP namboarin’ny kaominina. Vola madiodio an’ny kaominina ihany no nanamboarana ny EPP Tanambao. Nambaran’ny ben’ny tanàna fa ho ezahina vitaina ity foto-drafitr’asa ity mba hianaran’ny mpianatra ho an’ny taom-pianarana 2018-2019. Mahazaka mpianatra 240 ity foto-drafitrasa vaovao ity.

Tamberin’andraikitra

Efa mizotra araka ny tokony izy ihany koa ny fanamboarana ny tranom-pokonolona ao Ankadindravola sy Mandrosoa. Ho an’ny tsena indray dia ny 35 % ny asa no vita raha nitsidika izany ny ben’ny tanàna ny 06 aogositra 2018. Nambaran’ny « chef de chantier », Mamy Andrianomenjanahary fa 20 andro izay no nanombohana ny asa. Nanamafy i Penjy Randrianarisoa fa voatana hatrany ny fanamby fa telo volana no hanamboarana ny tsena. Tetikasan’ny filohampirenena Hery Rajaonarimampianina ny tsenan’Ivato. Mitentina 2.200.000.000 Ariary (11 milliard fmg) ny famatsiam-bola azon’ny kaominina tamin’izany. Nampanantena ny ben’ny tanàna fa ireo mpivarotra teo aloha ihany no hivarotra ao amin’ny tsena vaovao. Mahazaka mpivarotra 2000 io tsena io. « Tsy maintsy hasongadina amin’ny vahoaka ny tamberinandraikitra satria tamin’ny alalan’ny volan’ny vahoaka ihany no nanaovana ny foto-drafitrasa. Tanjona ny hanokanana ireo foto-drafitrasa notsidihana ireo amin’ny volana septambra 2018 », hoy ny ben’ny tanàna.

Lynda A.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *