Socio-eco

KAOMININA IVATO MIATRIKA NY CORONAVIRUS: Olona sahirana sy beantitra miisa 800 nahazo fanampiana


Fanomezan-tanana ny fitondram-panjakana. Tsy mitsahatra mikaroka ny fomba rehetra ahafahana manampy ny mponina indrindra fa ireo sahirana sy “marefo” ny ben’ny tanàn’ny kaominina Ivato, Randrianarisoa Penjy sy ireo mpiara-miasa aminy. Ny 03 aprily 2020 dia nitohy ny fizarana vatsy ka olona sahirana sy beantitra miisa 800 indray no notolorana vary, voamaina ary atody. “Niezaka nanatona ireo olona malala-tanana ho entina hanampiana ireto olona ireto izahay. Izahay mpitantana eto amin’ny kaominina Ivato ihany koa nanao izay ezaka kely mba vitanay”, hoy ny ben’ny tanàna Randrianarisoa Penjy. Nambarany fa notsongaina avy amin’ireo fokontany 13 ao kaominina ireto mpahazo tombontsoa ireto.

 “Hitohy ny fanampiana ho an’ireo mbola tsy nahazo, mbola hifanatona amin’ireo malala-tanana izahay”, hoy hatrany izy. Nilaza ny ben’ny tanàna fa efa nanao ny andraikiny ny fanjakana fa ilaina ny fifanomezan-tanana. Manamafy ny toromarika napetraky ny fitondram-panjakana ny tenany mba tsy hivoaka ny trano fa  areti-mandoza  ny coronavirus.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *