Socio-eco

KAOMININA IVATO: Laharam-pamehana hatrany ireo zokiolona


Nahatsiaro ireo beantitra ny ben’ny tanàna ny kaominina Ivato, Penjy Randrianarisoa sy ireo mpiara-miasa aminy noho izao taom-baovao izao. Tamin’ny alalan’ny fizarana fanomezana no nanehoan’ny kaominina fifampiarahabana  nahatratry ny taona an’ireo zokiolona. Raiamandreny miisa 3.000 no notolorana vary, labozia, afokasoka, savony, sira, siramamy, kafe, mofo dipaina sy akondro tsirairay avy ny sabotsy 2 febroary 2019. Nisy famonoana omby ihany koa tamin’io fotoana io ka nozaraina an’ireo zokiolona ihany ny nofon-kena. « Manaja sy manome lanja hatrany ny zokiolona izahay ka tsy manadino amin’ny taom-baovao toy izao ary manolotra nofon-kena mitam-pihavanana sy solom-bodiakoho ho anareo Raiamandreny », hoy ny ben’ny tananan ‘ny kaominin’Ivato, Penjy Randrianarisoa.

Nohamafisin’ny ben’ny tanàna fa tsy misy hidiran’ny resaka politika izao hetsika izao fa efa fanao isan-taona. Nisaotra sy nitso-drano ny ben’ny tanàna hahaleo hahalasa sy ho ela fanapahana ary hifanantitra amin’ny vahoaka ao Ivato ireo beantitra taorian’ny lanonana.

Lynda A.


One comment on “KAOMININA IVATO: Laharam-pamehana hatrany ireo zokiolona

  1. Pingback: KAOMININA IVATO: Laharam-pamehana hatrany ireo zokiolona - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *