Socio-eco

KAOMININA IVATO: Ho tohizana amin’ity taona 2021 ity ny fanamboarana foto-drafitr’asa


Ao anatin’ny laharam-pamehana ho an’ny koaminina Ivato ny  fanomezana lanja ny tamberinandraikitra ho an’ny mponina. Na dia teo aza ny valan’aretina Covid-19 dia niezaka nanatanteraka ny asa fampandrosoana ny ben’ny tanàna Randrianarisoa Penjy sy ny ekipany. Santionany tamin’ny asa mivaingana tamin’ny taona 2020 ny fanamboarana ireo lalan-kely izay nampikaikaika ny mponina toy ny teny K5. Namakivaky fotaka, ranobe  ny mponina  taloha rehefa fahavaratra. Nambaran’ny ben’ny tanàna fa hotohizana amin’ity taona 2021 ity ny fanamboarana foto-drafitr’asa mamaly ny filàn’ny mponina. Noho izao taombaovao izao dia tsy nanadino ny mpiasan’ny kaominina Randrianarisoa Penjy fa nanolotra vary, menaka ary gana ho azy ireo ny 08 janoary 2021.

Lynda A.


One comment on “KAOMININA IVATO: Ho tohizana amin’ity taona 2021 ity ny fanamboarana foto-drafitr’asa

  1. Pingback: KAOMININA IVATO: Ho tohizana amin’ity taona 2021 ity ny fanamboarana foto-drafitr’asa - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *