Socio-eco

KAOMININA IMERINTSIATOSIKA: Ivon’ny fampandrosoana ny mponina


Tahaka ny nananganana ny lapan’ny tanana ihany no hanamboarana ny kianja filalaovam-baolina sy ireo lalana mampita ny fokontany miisa 14 ao amin’ny kaominina Imerintsiatosika.

Anterivava : Parisoa Andriambolanarivo

« Ezahina ho vitaina amin’ity taona 2018 ny ireo foto-drafitr’asa goavana ireo”, hoy ny Ben’ny Tanana an’ny kaominina ambanivohitra Imerintsiatosika, Parisoa Andriambolanarivo. Tanjon’ny kaominina hanamboarana ny kianja hanara-penitra. Mbola tsy misy anefa famatsiam-bola kanefa tsy sakana hanombohana ny asa izany. “Mitovy amin’ny paik’ady nanamboarana ny lapan’ny tanana no hanatrarana io vina io. Tonga dia nanomboka ny asa izahay tamin’ny fanamboarana azy. Ireo mponina tao an-tanana ihany no niara-nisalahy tamin’ny fanamboarana ny foto-drafitr’asa. Nanampy ara-pitaovana ihany koa ny mponina ka samy nitondra ny anjara birikiny avy izy ireo. Rehefa nahita ny fahavononanay ireo mpanam-bola dia namatsy ara-bola sy ara-pitaovana ihany koa. Ezaky ny kaominina avokoa ny 93 % tamin’ny famitana ny lapan’ny Tanana”, hoy hatrany ny Ben’ny Tanana. Torak’izay ihany koa ny hanaovana ireo lalana ratsy. Ireo mponina mihitsy no handray anjara amin’ny fanamboarana azy. Ao anatin’ny tarigetran’ny kaominina rahateo ny fampandraisana anjara ny olona eny ifotony amin’ny alalan’ny fampidiran-ketra, fandraisana anjara mivantana, fanampiana ara-pitaovana rehefa hanamboatra foto-drafitr’asa.

Horonan-tsary