Socio-eco

Kaominina Antsahafilo: Nanao kamban-telo


15 taona taty aoriana vao nahazo foto-drafitrasa indray ny kaominina Antsahafilo distrikan’ny Ambohidratrimo. Noho ny fiaraha-miasan’ny fitondram-panjakana sy ny mpamatsy vola, foto-drafitrasa telo , toy ny efitrano iray an’ny CEG mahazaka mpianatra 30 eo ho eo, Birao ifoton’ny fananantany (BIF) ary ny biraon’ny kaominina nasiam-panavaozana no notokanana omaly 21 Aogositra 2018. Nanatrika ny lanonana ny solombavambahoaka voafidy teny Ambohidratrimo, ny lehiben’ny faritra Analamanga, lehiben’ny distrika ary ireo manam-pahefana isan-tsokajiny.
Samy nahazo ny tandrify azy ny tsirairay amin’ireo foto-drafitrasa ireo. « Ho afa-pahasahiranana ireo mpianatra ka tsy hiakatra eny amin’ny kaominina manodidina, toy ny kaominina Imerimandroso, Ambohidratrimo ary Ivato noho ny fisian’ny CEG eo an-toerana », hoy ny ben’ny tanan’ny Antsahafilo, Randrianasolo Raymond. Tamin’ny alalan’ny famatsiam-bolan’ny fitondram-panjakana (Comité Local pour Développement) no nahafahana nanamboatra ity efitranon-tsekoly ity. Nitondra fitaovam-pianarana ho an’ireo mpianatry ny EPP miisa 98 afaka fanadinana CEPE ihany koa ny lehiben’ny faritra Analamanga, Ndrato Rakotonanahary. « Fanampiana avy any amin’ny filohampirenena ireo fanomezana ireo », hoy izy. Notokanana tamin’io fotoana io ihany koa ny Birao Ifoton’ny Fananantany (BIF) izay manampy ny vahoaka amin’ny fanoratana ny taniny. Iaraha-mahalala ny olan’ny fananantany eto Madagasikara ka hihena noho izany ny olan’ny fananantany. « Raha tsy manana ny kara-tany ny olona iray mamboly na manao trano eo ambonin’ny tany iray dia tsy azo lazaina fa tompon’ny tany izy. Noho izany, tsy maintsy manao io kara-tany io izy », hoy solombavambahoakan’i Madagasikara lany teny Ambohidratrimo, Luc Ratsimbazafy. Miisa 1100 ireo nahazo izany teny Antsahafilo ary mbola hisy ny andiany faha-roa ka eo amin’ny 2000 indray no hahazo izany. Tetikasan’ny « Appui à la Réforme et Sécurisation Foncière » (ARCF).

Nirina R.

CR Analamanga

Solombavambahoaka

Ben'ny tanana Antsahafilo


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *