Socio-eco

KAOMININA ANTANETIBE MAHAZAZA: Misedra olana vokatry ny fiovan’ny toetr’andro


kaominina antanetibe mahazaza - tetikasa PRCCCTombony ho an’ny kaominina ny nahavitàna ny SAC.  Anisan’ireo kaominina 20, eto amin’ny faritra Analamanga, nahazo tohana avy amin’ny PAGE/ GIZ,  tamin’ny famolavolana ny drafitra ifotony fanajariana ny tany na  ny  SAC  (schéma d’aménagement communal)  ny  kaominina ambanivohitra Antanetibe Mahazaza, distrikan’Ambohidratrimo. Ny 29 jona 2020 teny amin’ny ministeran’ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy, teny Anosy no nanatenterahana ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy io SAC io. “Anisany misedra olana  amin’ny fiovan’ny toetr’andro ny kaominina Antanetibe Mahazaza. Mafana loatra ny andro.  Raha ho an’ny  fiompiana akoho manatody lava dia tsy mahatanty hafanana be  ny akoho.  Mila kitay hanafanana ireo biby ireo kanefa  misedra olana ny kaominina noho tsy fananana ala intsony, na ny manodidina aza efa tsy misy intsony. Dr Rakotonomenjanahary Louis Firmin - ben'ny tanana antanetibe mahazazaEfa hazo avy any Manjakandriana no ampiasain’ireo mpiompy lehibe hanafanana ireo zanak’akoho”, hoy ny Ben’ny tanàna Dr Rakotonomenjanahary Louis Firmin.  Noho izany, “zava-dehibe ho anay ny naha tafiditra tao ao anatin’ireo kaominina 20  nisitraka ny fananganana ny drafitra ifotony ny fanajariana ny tany izay  vina mandritra  15 taona ho an’ny kaominina.  Rehefa mivoaka io vina io dia eo am-panatanterahina ny Plan de développement communal na drafi-pampandrosoana ny kaominina izay niainga tamin’ny SAC mba hanatanterahana  an’ireo asa voakasika ireo. Ho an’ny kaominina Antanetibe Mahazaza manokana dia nahazo famatsiam-bola avy amin’ny GIZ  momba ny fambolen-kazo ka nahavitanay namboly zanakazo teo amin’ny roa hetsy mahery teo”, hoy izy.

Ao anatin’ny tetikasa PRCCC (Projet de renforcement  de conditions et capacité d’adaptation durable au changement climatique) ho fanampiana kaominina hiatrika ny fiovan’ny toetr’andro sy fiarovana ny tontolo iainana ity  SAC ity. Manampy ny kaominina amin’ny fanatanterahana ireo sahan’asa mifandraika amin’ny fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro, heverin’ny kaominina  fa laharam-pamehana ao anatin’ny SAC  ihany koa ny GIZ.  Ny vondrona eraopeanina sy ny fanjakana Alemana amin’ny alalan’ny ministera federalin’ny fiarahamiasa ara-toekarena sy fampandrosoana (BMZ) no mamatsy vola ny tetikasa.

Lynda A.


One comment on “KAOMININA ANTANETIBE MAHAZAZA: Misedra olana vokatry ny fiovan’ny toetr’andro

  1. Pingback: KAOMININA ANTANETIBE MAHAZAZA: Misedra olana vokatry ny fiovan’ny toetr’andro - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *