Socio-eco

KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA : Mandray ireo zaza iharan’ny herisetra ny « centre d’accueil d’urgence » eny Isotry


Nohavaozina ny ivon-toerana vonjimaika mandray ireo zaza iharan’ny herisetra (centre d’accueil d’urgence)  eny Isotry noho ny fiarahamiasa teo amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) sy ny Coopération Allemande, ny fikambanana Dinika sy Rindra ho an’ny vehivavy, ny Orange Solidarité Madagascar ary ny Unicef Madagascar. Notokanana ny 14 novambra 2022 teny amin’ny annexe BMH Isotry ity ivon-toerana ity. Ahitana efitrano miisa 7, toy ny fandraisam-bahiny, efitra fatoriana, birao, lakozia, toeram-pidiovana ny ivon-toerana. Ahafahan’ireo ankizy miaina ao anatin’ny toerana tsara no antony nanavaozana  azy. Nanolotra kojakoja ao an-dakozia (réfrigérateur, congélateur, cuisinière à gaz) sy fanaka (fandriana) ary fitaovana hafa (chauffe-eau) ny Orange Solidarité Madagascar mba hampandehanana ny ivon-toerana. Nohajariana ihany koa ny toeram-pilalaovana ka nasiana “balançoire”, “balancelle” ary “toboggan”. Nohaingoana ny rindrina mba hahafinaritra ny maso. Hikarakara atrikasa “SuperCodeurs” hampiofanana ireo ankizy momba “codage informatique” ihany koa ity fikambanana misahana ny ara-tsosialy ao amin’ny orinasa Orange Madagasikara ity. Indray mandeha isan-kerinandro no hanaovana izany. Natokana ho an’ireo ankizy aterin’ny Polisy misahana ny zaza tsy ampy taona (PMPM) ny « centre d’accueil d’urgence ». Afaka mandray ankizy miisa 16 ny ivon-toerana  ka maharitra 10 andro izy ireo no afaka mijanona eny ary azo havaozina izany fijanonana izany. Ny departemanta misahana ny asa sosialy sy fahasalamana eo anivon’ny CUA no mikarakara azy ireo mandra-pahita ireo fianakaviany raha toa ka ny « Juge des enfants » no mikarakara ny taratasy sy ny mombamomba azy ireo. Ankizy 145 no efa noraisina an-tanana tao ka ny 109 efa niverina any amin’ny fianakavian’izy ireo.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *