Socio-eco

KAOMININA ANDRANONAHOATRA: Beantitra 400 isa hisitraka fanampiana avy amin’ny fanjakana


Eo am-pandaminana. Efa ao amin’ny kaominina Andranonahoatra ny fanampiana ho an’ny beantitra avy amin’ny fitondram-panjakana ho fiatrehana ny Coronavirus. Omaly 05 aprily no azo ireo fanampiana ireo ka “zokiolona miisa 400 no hahazo vary dimy (05) kilao miampy voamaina…”, araka ny fanazavan’ny ben’ny tanàna, Rasamison Haja androany 06 aprily 2020.  Nambarany fa “mbola mihidy ao anaty fitoerany daholo ireo entana ireo. Manomboka androany ny fandaminana ny fizarana”, hoy izy. Araka ny fanazavany hatrany dia andiany faharoa ity fizarana ho an’ny beantitra ity. Ny andiany voalohany ka zokiolona 900 manerana ny distrikan’Atsimondrano no nisitraka izany, tafiditra tao anatiny ny kaominina Andranonahoatra.

Ankoatra izany, nilaza Rasamison Haja fa mbola tsena mora sy fanampiana ho an’ny beantitra no azon’ny kaominina. “Tsy mbola nisy ho an’ny mpivarotra, ny mpanasa lamba sy ireo sokajy hafa”, hoy izy. Efa nisy nandalo teny amin’ny fokontany misy avy azy ireo sokajy, nolazain’ny Prezidan’ny Repoblika fa hahazo fanampiana ara-tsosialy, ary noraisina ny anaran’izy ireo.

Lynda A.


One comment on “KAOMININA ANDRANONAHOATRA: Beantitra 400 isa hisitraka fanampiana avy amin’ny fanjakana

  1. Pingback: KAOMININA ANDRANONAHOATRA: Beantitra 400 isa hisitraka fanampiana avy amin’ny fanjakana - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *