Socio-eco

KAOMININA AMPITATAFIKA : « Mitombo ny vola miditra ao anatin’ny kitapom-bolan’ny kaominina »


Tombony lehibe. Notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny 23 oktobra 2020 ny tsena vaovao, ny lalana Ambohimangidy Ankaditany mirefy  iray kilometatra sy 400 metatra. Noho ny tetikasa FIAM(Fivoarana ifotony ao anatin’ny mangarahara) iarahan’ny kaominina Ampitatafika sy Alakamisy Fenoarivo miaraka amin’ny fikambanana MSIS Tatao ary vatsian’ny Vondrona Eraopeanina  ireo foto-drafitr’asa tanteraka ireo. « Vokatr’izay mitombo ny vola miditra ao anatin’ny kitapom-bolan’ny kaominina izay no tena tombony ngeza be, ahafahanay miasa, manatsara ity tsena ity », hoy  i Rado Ramparaoelina,  Ben’ny tanàna ny kaominina Ampitatafika, nanazava ny tombony tamin’ny fanamboarana ny tsena vaovao.  Araka ny fanazavany fa mahazaka hatrany amin’ny 250 mpivarotra io tsena io. Nohamafisiny fa tao anatin’ny mangarahara ny fanatanterahana ny foto-drafitr’asa. « Nomena sehatra ny mpivarotra hiteny izay hetahetany, natao mangaraharaha ny fitantanana », hoy izy

Nambaran’ny Tale mpantanteraky ny MSIS Tatao, Andriamoraniaina Harijaona fa ny mangarahara,  fomba fampisitrahana ny olom-pirenena tokony hisitraka ny foto-drafitr’asa na fomba fitantanana ny enti-manana amin’ny fanatanterahana ny foto-drafitr’asa no tena zavatra lehibe mampiavaka ny tetikasa FIAM. « Rehefa manana antontam-baovao ny olona eny ifotony dia mandray anjara na amin’ny fikojakojana aza », hoy izy. Asa ataon’ny fikambanana ihany koa ny fanomezana tantsoroka ny fomba fiasa, ny fanamafisana orina ny fahaiza-manaon’ ireo mpiantsehatra  rehetra na ny fiaraisamonim-pirenena na ny eo anivon’ny kaominina manatsara kokoa ny fampiasana ireo foto-drafitr’asa.

Lynda A.


One comment on “KAOMININA AMPITATAFIKA : « Mitombo ny vola miditra ao anatin’ny kitapom-bolan’ny kaominina »

  1. Pingback: KAOMININA AMPITATAFIKA : « Mitombo ny vola miditra ao anatin’ny kitapom-bolan’ny kaominina » - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *