Socio-eco

KAOMININA AMPITATAFIKA: “Misy loko politika ny fizarana ireo fanampiana avy amin’ny fanjakana”


Kandida tsy lany no mizara ny vary mora. Voatery nofoanana ny fizarana vary mora teny amin’ny kaominina Ampitatafika ny sabotsy 04 Aprily 2020 teo. Nambaran’ny ben’ny tanàna, Ramparaoelina Rado, ny 07 aprily 2020 fa “raha ny tena hiainana dia misy loko politika be ny fanapahan-kevitra amin’ny fanampiana satria raha tokony ho anjarany ny kaominina Ampitatafika ny vary mora tamin’ny sabotsy teo dia nisy ny tsy fitovian-kevitra sy fitoviam-pijery teo amin’ny ben’ny tanàna sy ry zareo mpikarakara ny vary mora dia lasa nofoanana mihitsy ilay tety Ampitatafika”.

Fanampin’izany, “rehefa misy ny fizarana ny vary mora dia ireo olona tsy lanim-bahoaka fa kandida teo aloha no mitantana ny vary mora izay tsy mampahafantatra mihitsy ny lehiben’ny fokontany na ny ben’ny tanàna fa dia ny olona fotsiny no ahalalanay hoe atsy amin’ny fokontany atsy, amin’izao ora misy fizarana vary mora”, hoy izy. Nomarihiny anefa fa “rehefa misy fizarana, varotra vary dia tokony maka alalana amin’ny tompon’ny tany nefa na ny tompon’ilay tany ary tsy mahalala hoe ampiasaina ny taniny”. Mangataka ny ben’ny tanàna an’Ampitatafika mba “hanjanona ny loko politika fa ny tenin’ny Filohan’ny Repoblika no tena tanterahina: tsy mifanavanavaka, mila firaisankina fa raha olona tsy lanim-bahoaka no mitantana an’io dia na manao fandaminana aza ireny amin’ny resaka filaharana dia maro an’isa amin’ny olona tsy mihaino azy ireny.

Nirina R.


One comment on “KAOMININA AMPITATAFIKA: “Misy loko politika ny fizarana ireo fanampiana avy amin’ny fanjakana”

  1. Pingback: KAOMININA AMPITATAFIKA: “Misy loko politika ny fizarana ireo fanampiana avy amin’ny fanjakana” - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *