Socio-eco

KAOMININA AMBOHIMAHAMASINA : Nahazo fahafahana vonjimaika ny ben’ny tanana sy olona roa hafa.


Natao androany ny « deferrement » ireo olona telo voarohirohy fa nanodikodim-bola tao amin’ny kaominina Ambohimahamasina, distrika Ambalavao ao amin’ny faritra Matsiatra ambony. Nohenoina teny amin’ny tribonaly miady amin’ny kolikoly ny ben’ny tanana Tsabo Pierre, ny « directeur auprès de ministère décentralisation » ary ny « secrétaire trésorier comptable » ao amin’io kaominina io. Nahazo fahafahana vonjimaika avokoa izy telo ireo ka hiakatra « instruction » amin’ny 8 desambra 2016 ho avy izao raha tsy misy ny fiovana.

Marihana fa nentina sy notazonina teny amin’ny BIANCO Ambohibao ny ben’ny tanana Ambohimahamasina ny Alahady lasa teo.

Raha ny fantatra, mahakasika ny vola nanaovana ny foto-drafitrasan’ny kaominina no fototr’izao fanenjehana azy ireo izao. Nomarihan’ny loholona iray amin’iny faritra iny fa efa vita io biraon’ny kaominina io.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *