Socio-eco

KAOMININA AMBOHIDRAPETO: Hizara fanampiana ho an’ireo sahirana hiatrehana ny fihibohana


Miantso ireo “vato nasondrotry ny tany”. Mahatsapa ny ben’ny tanàn’ Ambohidrapeto, Andriatsilavo Mihary fa misedra fahasahiranana ny ankamaroan’ny mponina ao amin’ny kaominina izay tantaniny manoloana ny fiatrehana ny Coronavirus. Ho fanohanana azy ireo dia manana vina hizara vatsy ho azy ireo ny kaominina. Araka ny fanazavan’ny ben’ny tanàna, androany 06 aprily 2020 dia mialohan’ny fetin’ny Paska no hanatanterahina izany fa efa eo am-panomanana izany ny tenany sy ireo mpiara-miasa aminy. Ho fanatevenana ireo fanampiana ho zaraina dia hisy ny fanatonana ireo “vato nasondrotry ny tany”. “Afaka manatitra eny amin’ny biraon’ny kaominina ihany koa ireo malala-tanana”, hoy izy. Nohamafisiny fa ho avy amin’ny herinandro ambony iny ny fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana ho an’Ambohidrapeto.

Nandritra ny fihibohana andiany voalohany dia nahatratra 700 ny isan’ny beantitra ao amin’ny kaominina rehefa natao ny fanisàna; nisy ihany koa ny fizarana arovava ho an’ireo mpitandro filaminana sy ireo mponina arak’izany tratra. “Arovava 1200 teo no nozaraina ary mbola ho tohizana izany ho amin’ity 15 andro manaraka ity”, hoy ny ben’ny tanàn’ny kaominina Ambohidrapeto.  Ho ezahina hampitomboana 30 ka hatramin’ny 50  ihany koa ny isan’ireo “bidon jaune” fanasana tanàna manerana ny fokontany.

Lynda A.


One comment on “KAOMININA AMBOHIDRAPETO: Hizara fanampiana ho an’ireo sahirana hiatrehana ny fihibohana

  1. Pingback: KAOMININA AMBOHIDRAPETO: Hizara fanampiana ho an’ireo sahirana hiatrehana ny fihibohana - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *