Socio-eco

KAOMININA AMBANIVOHITRA: Mila mahay “comptable” raha te ho Ben’ny Tanana


Niova ny fomba fitantanam-bolan’ny kaominina. Ny Ministeran’ny vola sy ny fitantanam-bola indray no manendry ny mpitantam-bolan’ny kaominina kanefa ny kaominina ihany no mandoa ny karamany . Dingana maro no lalovana raha hamoaka vola ny kaominina. Tsy eo ambany fanaraha-mason’ny Ben’ny Tanana intsony izany ny fitantanam-bola fa ilay mpitantam-bola notendren’ny fanjakana no manapa-kevitra na hamoaka vola na tsia. “Ny Ben’ny Tanana no nofidian’ny vahoaka fa tsy ny mpitantam-bola izay apetraky ny Ministera. Lasa eo ambany fiadidian’ny “principal comptable” izany ny Ben’ny Tanana”, hoy ny ben’ny Tanana ny kaominina ambanivohitra Ampitatafika, Rado Ramparaoelina. Niaiky izy fa fanatsarana ny fitantanam-bola no tian’ny fitondram-panjakana ahatongavana amin’izao fanovana izao saingy tsy hahavita ny fandaharan’asany nampanantenainy tamin’ny vahoaka ny Ben’ny Tanana satria ho lany andro amin’ny fanarahana dingana maro be amin’ny famoaham-bola .

Nahitana fiovana ihany koa ny fandrafetana ny teti-bolan’ny kaominina. Miainga amin’ny “Budget de programme” ny fampandehanan-draharaha sy ny fanamboarana foto-drafitra asa eny anivon’ny kaominina. Miankina amin’ny vola eo ampelan-tanan’ny kaominina ny fampandehanan-draharaha sy ny fanamboarana foto-drafitra asa eny anivon’ny kaominina raha niainga tamin’ny vinavina izany teo aloha. Voafetra ny asa tokony ho atao. Manaraka izany, natao ho an’ny olona manam-pahaizana ity fanovana ity na dia efa niofana momba ny “Budget de programme” aza ireo Ben’ny Tanana. “Sarotra ny fampiharana azy. Tsy voatery ho manam-pahaizana avokoa ireo Ben’ny Tanana. Tokony alefa tsikelikely io fomba fitantanana vaovao io na dia tiana hitovy amin’ny kaominina any ivelany aza ny kaominina eto Madagasikara.

Lynda A.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *