Socio-eco

KAOMININA ALASORA: Miverina miasa ny “ambulance”


Maimaimpoana. Vita soamantsara ny fanamboarana ny fiara mpitondra marary na “ambulance” an’ny kaominina Alasora. Nanomboka ny 10 jona 2020 no efa azo antsoina  ireo laharan’ny finday 033 31 333 37 na 034 55 331 97 ahafahana misitraka izany.  Maimaimpoana ny fangalana ny “ambulance” saingy tsy maintsy manaraka ireto fepetra ireto.  “Hitondrana ireo marary mafy avy any amin’ny CSBII, matérnité sy ireo tobim-pahasalamana tsy miankina amin’ny fanjakana eto Alasora mamonjy ireo hopitaly lehibe any an-drenivohitra izy ity. Raha sanatria misy ny lozam-pifamoivoizana eny amin’ny By Pass dia natao hitondrana ireo marary mankany amin’ny tobim-pahasalamana ihany koa ny ambulance”, hoy ny Ben’ny tanàna, Randriantsoa Jimmy. Nomarihiny fa “tsy afaka hitondrana olona ahiahiana ho tratry ny COVID-19  ity fiara ity ary tsy natao ho solona taxi na hakàna marary any an-trano raha tsy tranga manokana  ary tena henjana.

Vokatry ny fihibohana

Tsapa fa miaina ao anatin’ny fahasahiranana ny mponina ao Alasora tao anatin’izay telovolana nihibohana izay , araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna hatrany.“Sahirana ny mponina amin’ny fiatrehana izany. Betsaka ny very asa, mitaraina ny ray aman-dreny fa tsy mianatra ny zanany”, hoy izy. Nambarany ihany koa fa nitombo ny tsy fandriam-pahalemana  ary efa nohamafisina ny fandraisana andraikitra na eo anivon’ny mpitandro ny filaminana na ny kaominina. Ankoatra izany, miteraka fimenomenonana ho an’ny ankamaroan’ny mponina ao Alasora ny fanampiana avy amin’ny fanjakana ho fiatrehana ny hamehana ara-pahasalamana. “Tsy misy intsony ny vary mora. Ny 30 % ireo nisoratra anarana ihany no nahazo ny tosika fameno ka ao ireo mitaraina ety amin’ny kaominina fa misy tsy  tokony hahazo izany akory”, hoy Randriantsoa Jimmy.  Efa misy ny fandraisana fitarainana momba ity tosika fameno ity na fitorohana ireo olona heverina fa tsy tokony hahazo izany. Eny amin’ny fokontany no hangalana ny taratasy hanaovana ny fitarainana ary averina eny ihany. Hisy ny fanadihadiana ho ataon’ny FID (Fonds d’Intervention pour le Développement) avy eo.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *