Socio-eco

Kaominina Bongatsara : Afa-pahasahiranana ireo mponina


Isan’ny fanamby napetraky ny Prezidan’ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina ny fametrahana toeram-pitsaboana isaky ny distrika manerana ny Nosy.

Ny ben’ny tanàna Rabearisoa Hanta nandray ny prezidan'ny repoblika

Ny ben’ny tanàna Rabearisoa Hanta nandray ny prezidan’ny repoblika

Nahazo izany ny kaominin’ny Bongatsara ankehitriny ary nahazo toeram-pitsaboana goavana manaraka ny fenitra takin’ny eo amin’ny sehatry ny fahasalamana.

Afa-pahasahiranana ny mponina ao Bongatsara satria dia tsy mila miakatra any an-dRenivohitra intsony rehefa hitsabo tena fa vita ao an-toerana avokoa ny fitsaboana rehetra, hoy ny ben’ny tanàna Rabearisoa Hanta. Matetika  maty  eny  an-dalana  ny  marary  raha  tojo  fahasarotana  satria  tsy  maintsy  mihazo  ireo  hopitalibe  eto  an-dRenivohitra, izay 15  km  raha  miala  eo  Anjomakely.  Noho izany dia hahazo tombony amin’ ity toeram-pitsaboana ity ihany koa ireo mpampiasa ny RN7, hoy izy.

Tonga teny Bongatsara ny Prezidan'ny Repoblika Rajaonarimampianina, nitokana ireo foto-drafitrasa fototra

Tonga teny Bongatsara ny Prezidan’ny Repoblika Rajaonarimampianina, nitokana ireo foto-drafitrasa fototra

Ankoatra ny toeram-pitsaboana dia nisy ihany  koa ny biraom-pokontany, ny efitranon-tsekoly roa vaovao ao amin’ny EPP Amberokely ary ny lalana mampitohy ny kaominina izay notokonana nandritra io fotoana io.

Azo tsapain’tanana ary miori-paka ho an’ny vahoaka ny zava-bita toy izao, hoy hatrany ny ben’ny tanàna, ka ny fikojakojana azy ireny no tokony atao laharam-pahamehana.

Miora Razafy / Nirina R. / Lynda


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *