Socio-eco

KANTON’I GASIKARA: Sady mampifaly an’i Neny no manandratra ny vita malagasy


Tsy ampy ny sehatra hivarotana ireo asa tanana malagasy kanefa dia mihatsara hatrany ny kalitaony. Amin’izao ankatoky ny fetin’ny reny izao dia fanomezana mendrika ho atolotra ho an’i Neny ny vita malagasy noho izay hatsaràn’ny kalitao izay. Ho fanampiana ny raim-pianakaviana na ny zanaka sy ireo maniry ny hividy fanomezana ho atolotra ho an’i Neny amin’ny alahady 26 mey 2019 ho avy izao  ny hetsika karakarain’ny  orinasa mpanao asa tanana Chez’Elles miaraka amin’ny ministeran’ny indostria, ny varotra ary ny asa tanana (MICA) ary ny ofisim-paritry ny  fizahantany eto Analamanga (ORTANA). Manomboka rahampitso 21 mey ka hatramin’ny 25 mey 2019 eny amin’ny zaridainan’Antaninarenina  no hanatanterahana ny foara “kanton’i Gasikara”.

Manandratra ny vita malagasy no tanjon’ny foara ka vokatra maro momba ny asa tanana toy  ny rary, ny zaitra,  ny firavaka,  ny sokitra, ny hosodoko, ny sakafo,  ny ranomanitra, ireo kojakoja ilaina amin’ny fikarakarana ny endrika amam-bika, ireo zavatra simba na tsy ilaina intsony (baoritra, finday simba…) ka nahodina ho vokatra vaovao azo ampiasaina no hampirantiana sy amidy mandritra ny dimy andro. Nambaran’ny mpitantana ny Chez’Elles, Ratrimoson  Mihanta Stéphanie  fa isaky ny telovolana no hanatanterahina ny “kanton’i Gasikara” ary manana vina hitondra ireo mpandray anjara any amin’ireo nosy rahavavy ity mpikarakara ity mba hampiroboroboana ny fidiram-bolan’ny mpanao asa tanana malagasy sy ny vita malagasy. Noho ny fiarahamiasa amin’ny ORTANA dia delagasiona roa avy ivelany ho avy hitsidika ity andiany voalohany ity izay ahitana mpandraharaha ara-toekarena avy any Belgique sy Espagne. Nomarihin’ny mpikarakara fa tsy misy ny vidim-pidirana.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *