politique

Kandidà Rajaonarimampianina: “Ny Asa vita no ifandrefesana”


Ela niandrasana ny vahoaka, tonga ny fotoana tsy maintsy nanambaran’ny Filohampirenena Rajaonarimampianina Hery ny filatsahany ho fidina. Nangataka ny filatsahan’ny Filoha Rajaonarimampianina Hery ny solotenan’ny olontsotra,

Onitiana Realy, ny solotenan’ny mpanao politika, ny Filohan’ny Ampela Manao Politika, ny solotenan’ny vovonana Voromahery, Me Avoko Rakotoarijaona, ny solotenan’ny Hvm, Mamitiana Faberger.

Namaly izany ny Filohampirenena ary nanambara izany tamin’ny fomba ofisialy izy omaly 17 Aogositra teny amin’ny Hotel Colbert fa “mbola vonona ny hirotsaka fidiana Filohampirenena”.

“Efa tsy miafina aminareo ny zava-bita omaly, mbola vonona ny hanatanteraka anio ary mbola afaka manome mihoatra izay efa vita rahampitso”, hoy ihany izy Nanatrika izany ny vady aman-janany. “Hiaro izay efa vita ary hanohy izay mbola tsy vita no tanjon’ny fisandratana. Tsy vita ao anatin’ny iray andro ny fanarenana ny firenena latsaka tao anatin’ny lavaky ny fahantrana”, hoy izy.

Nanohina ny fon’ny rehetra ny nilazan’i Onitiana Realy fa “tsy mba nanana fotoana mba tena nahafahany niasa tamim-pilaminana ny Filoha Rajaonarimampianina hatramin’ny andro voalohany nitondrany ny firenena fa matin’ny fanenjehana, fanaratsiana, eny hatramin’ny ompa aza ho azy sy ny vady aman-janany kanefa dia mbola nijoro hatrany izy ary lasa nanefy azy tamin’ny toetra araka ny sitrapon’Andriamanitra aza izany dia ny fananany fahendrena, fandeferana, fanetre-tena, fitiavana ny fihavanana tsy hisian’ny rà mandrika teto amin’ny firenena ireny zava-nitranga ireny”.

Iza moa no tena nanenjika, tsy iza fa ireo izay tena nandentika ny firenena tao anatin’ny fahantrana lalina nandritra ny tetezamita. Mbola fandresen-dahatra hatrany no nataony fa ny Filohampirenena nifandimby teo rehefa naongan’ny olona teny amin’ny kianjan’ny 13 mey dia niongana avokoa fa Rajaonarimampianina kosa dia tsy mba tahaka izany noho ny fahendrena ananany.

Tsy araka ny fanaratsiana sy ny fanenjehana azy ireo atao amin’ny haino aman-jery sy ny tambazotra samihafa, ny toetran’izy ireo fa olona tena tso-po, tso-piaina, tia fihavanana izy mivady. Raikitra araka izany ny fifidianana satria efa tsy maintsy mametra-pialana izany ny Filoham-pirenena amin’ny 7 Septambra izao araka ny voalazan’ny lalàna.

Mahitsimaso


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *