politique

KANDIDA MARC RAVALOMANANA: « Mifanandrina ny tsara sy ny ratsy »


Fihaonana tamin’ireo mpanara-dia ny kandida Marc Ravalomanana teny amin’ny QG misy ny K25 no nentiny nanombohana ny fampielezan-kevitry ny laharana faha 25. « Mafy ny nahazo ny vahoaka malagasy nanomboka ny taona 2009 izay. Tsy nitsahatra nitotongana ny fiainan’ny Malagasy ka tonga izao ny fotoana hanarenana izany », hoy ny kandida Marc Ravalomanana. Mifanandrina amin’ity fiodinana faharoa ity ny tsara sy ny ratsy, mpanangana sy ny mpanimba, ny mandala ny ara-dalàna sy ny mpanongam-panjakana. Tsy maintsy handresy ny tsara amin’ity fifidianana ity satria ny mpitarika dia i « Jesosy », hoy izy.

Tsy haka na iraimbilanja amin’ny vahoaka malagasy izy raha ny nambarany fa hanome asa kosa. « Tiako daholo ny vahoaka malagasy rehetra tsy ankanavaka. Lainga tiana hanaratsiana ahy fotsiny ny filazana fa tsy tia ny avy any amin’ny faritra aho. Raha mitombina fa tsy tia azy ireo aho nahoana no namboariko ny lalana tamin’ireny toerana ireny… », hoy hatrany ity kandida laharana faha-25 ity. Ho jereny manokana ny ara-tsosialin’ny mponina izay efa vita rafitra ao anatin’ilay « MAP 2 na Manifesto ». Atao izay hisian’ny fandriampahalemana mba hiadanan’ny vahoaka sy ahafahany miasa am-pilaminana hitondra any amin’ny fampandrosoana.

Fampielezan-kevitra

Niova ny paikady hanaovana ny fampielezan-kevitra amin’ity fihodinana faharoa ity. Ankoatra ireo famoriana vahoaka dia hisy ny fidinana ifotony amin’ireo isan-tokantrano hampahafantatra ity « Manifesto » ity amin’ny tsirairay. Manentana ny vahoaka izay tsy nifidy tamin’ny fiodinana voalohany iny izy hifidy ary haka ny kara-pifidianana eny amin’ny fokontany.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *