politique

KANDIDA MAILHOL: Nahazo tso-drano


Tafara-dalana ny finoana kristianina sy ny silamo noho ity fifidianana efa manakaiky ity. Tsy mijanona amin’ny finoana roa ireo ihany anefa fa tonga nanome tso-drano an’ny kandida Mailhol nandritra ny famorina vahoaka nataony tany Toamasina ny Alahady 16 Septambra 2018 lasa teo ny ray aman-dreny ara-drazana. Matoky tanteraka an’ity kandida laharana faha-34 ity izy ireo. Nampiseho ireo vinan’asany izy nandritra ny fandraisany fitenenana teo anatrehan’ireo olona maro tonga teny amoron-dranomasina nanaovana ny hetsika. “Tsy maintsy vita ny lalana rehetra eto Madagasikara. Ampidinina 10% ny hetra rehetra fa tsy 20% intsony. Ny 10% ny volam-panjakana ihany no ho an’ny fanjakana izay ampiasainy amin’ny fampandehanan-draharaha fa ny 90% ho an’ny vahoaka avokoa”, hoy ny kandida Mailhol nandritra ny fandraisam-pitenenany. Ankoatra izay, omena tombony ny mponina ao Toamasina amin’ny fisian’ny seranan-tsambo. 50% ny vola miditra ao amin’io seranana io dia mijanona ao an-toerana  hananamboarana zavatra lehibe ho an’ny mponina ary ho hatsaraina izany seranana izany. Mandray fisotron-dronono avokoa ny rehetra na avy amin’ny fanjakana na ny tsy miankina. Raha tena miara-mientana isika rehetra, telo taona ihany dia lasa firenena “emergent” isika, hoy hatrany izy. Nomarihany fa tsy misy olona terena hivady apokalypsy izany fa malalaka ny rehetra amin’ny finoana harahiny. Tsy hanafoana ireo fomban-drazana izy fa ny fahatrana sy ireo mpangalatra tanin-drazana no ho foanana, hoy izy.

Nirina R


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *