politique

KANDIDA MAILHOL Manaiky raha tsy misy ny halatra


Adidy masina ny fandraisana andraikitra amin’ny firenena amin’izao fifidianana ho filoham-pirenena izao, hoy ny Kandida Mailhol. Misaotra ny CENI sy izay rehetra nikarakara ny fifidianana anisan’izany ny fitondram-panjakana. Maniry mba hilaminan’ny fifidianana ary hadio tsy hisy halatra izy. Hilamina ity firenena malagasy ity raha toa ka tsy misy ny halatra. Noho izay, tokony eken’ny rehetra izay filoha lany eo mba hampandroso ny firenena amin’izay . Fanirin’ity kandida ity ny mba  hampadio, hangarahara ary tsy misy halatra izay tadiavin’ny rehetra. Nomarihany fa na niombo-kevitra sy niraka nitaky tamin’ireo kandida ny mba hanokafana ny lisi-pifidianana aza izy dia nanefa ny adidiny teny amin’ny birao fandatsaham-bato Ambohipo. Nambarany tamin’izany fa hiharan’io lisi-pifidianana tsy tomombana io daholo na ny nitaky hanokafana azy na ireo tsy niraharaha izany.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *