politique

KANDIDA DEPIOTÉ RAKOTOARISOA JOHNNY : Tsy handray “malette” rehefa eny Tsimbazaza


Rivo-baovao no entin’ny kandida ho solombavambahoaka Rakotoarisoa Johnny rehefa tonga eny amin’ny Antenimierampirenena. Nambaran’ity kandida eny amin’ny distrikan’Ambohidratrimo ity fa mila olona tanora ny Antenimierampirenena, tsy ho voavidin’ny “malette” intsony, tsy ho lavon’ny kolikoly intsony, tsy voavidin’n 4 X 4 intsony  fa hipetraka amin’ny maha olom-boafidy.  Mba tsy sandaina vola ny zavatra rehetra ary indrindra ho solombavambahoaka hahatanteraka ny asany araka ny tokony ho izy no handrafitra ny parlemanta vaovao.  Ho vonona ny  hanaramaso ny mpanantanteraka sy hifidy ny lalàna araka ny tokony ho izy ary indrindra indrindra hanao tatitra amin’ny vahoaka. Mahita izahay fa mila rivo-baovao ny Antenimierampirenena mba apetraka amin’ny toerana maha izy azy, amin’ny hasiny, amin’ny  maha lapam-panjakana azy  tsy sanatria ny vava ho toy ny teo aloha, lasa voavetaveta ny lapam-panjakana amin’ny alalan’ny resaka “malette”, resa-bola, resa-tsolotra, izay hiaraha-mahalala fa tsy mampandroso ny firenena.

Kandida natolotry ny IRD (Isika Rehetra miaraka amin’ny Prezida Andry Rajoelina) Rakotoarisoa Johnny. Efa ben’ny tanana ny kaominina Mahereza izy. “Nitantana ny tanana nandritra ny 4 taona tenako ary tamin’izany no nahitana ny lesoka eny ifotony, ny marary ny vahoaka. Rehefa nandinika izahay dia  miady irery  ny ben’ny tanana mampandroso ny tanana. Tsy ampy fahefana kely eo am-pelan-tanan’ny ben’ny tanana hampandrosoana ny tanana. Mila tosika, tolo-tanana avy any amin’ireo solombavambahoaka ny ben’ny tanana izay tsy  mba nananay, tsy nisitraka an’izany izahay, tsy mba nahazo tohana tamin’ireo solombavambahoaka izay niara-niasa taminay izahay”, hoy izy. Nanazava ny antony nirotsahany ho fidiana ho solombavambahoaka. Araka ny fanazavany hatrany dia nitambatra ireo ben’ny tanana 18 ka nanolotra kandida iray mahalala ny fahorian’ny vahoaka, mahafantatra ny olana eny ifotony ka ny tenany no nosafidian-dry zareo.

Lalàna miantraika ny fiainan’ny vahoaka

Ho laharam-pamehana amin’ny kandida Rakotoarisoa Johnny ny fakana ny hetahetan’ny vahoaka ary hitondra  izany eny amin’ny Antenimierampirenena mba hahatanteraka ny fandaharan’asa hampandrosoana ny firenena. Nilaza izy fa ny ankamaroan’ny lalàna misy amin’izao fotoana dia tsy mifanaraka  amin’ny vanim-potoana ankehitriny. Misy aza tsy ampiharina akory. Noho izany, mila lalàna mifandraika amin’ny vanim-potoana, miantraika any amin’ny fiainam-bahoaka isika. Anisan’izany ny lalàna momba ny sosialim-bahoaka, ny tsy fandriam-pahalemana. “Isan-tanàna mihitsy no mitaintaina, isaorana ny fitondram-panjakana fa efa mandray ny andraikiny”. Ho jerena akaiky ihany koa ny  lalàna momba ny asa toy fampiakara-karama. “Efa nandray ny andraikiny ny filohampirenena. Na io 200.000 Ariary io, karama farany ambany io aza mbola tsy ampy raha hampitahana amin’ny vidim-piainana ankehitriny”. Eo ihany koa ny lalàna nolanian’ny parlemanta teo aloha toy ny fampiasana robot eny amin’ny zone franche. Tsy tokony ampiasaina eto amintsika anefa izany fa mampihena ny isan’ny olona miasa. Isaky robot iray miasa dia olona maromaro no very asa. Tsy tokony ekena izany, ny tolotr’asa omena ny tanora aza ho ampiana, hoy ny kandida ho solombavambahoaka eny amin’ny distrikan’ Ambohidratrimo, Rakotoarisoa Johnny

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *