Socio-eco

KANDIDA DAMA MAHALEO : Mangataka tolo-tanana


Fomba hafa no nentin’i Dama Mahaleo,  kandida amin’ny fifidianana filohampirenena hisarihana ny vahoaka ny Malagasy. Raha ny zava-nitranga hatramin’izay,  nizara fanomezana toy ny vary amin’ny kapoaka, “tee-shirt”, vola… ireo  mpilatsaka ho fidiana sasantsasany nandritra ny vanim-potoanan’ny fampielezan-kevitra mba handresena lahatra ny mpifidy. Rehefa tonga eo amin’ny fitondrana anefa dia tsy tanteraka akory izay nampanantenaina. Vao maika fahantrana ny vidin’ilay fanomezana noraisina. Ho an’ny kandida Dama na Zafimahaleo Rasolofondrasolo dia tsy manana vola hafafy amin’izany. Mangataka  tolo-tanana avy amin’ny  Malagasy rehetra na eto an-toerana na any ivelany izy ahafahany manatanteraka ny fampielezan-kevitra ary raha toa ka tsy lany filohampirenena izy dia ho ampiasainy hanatanterahana ny tetikasa valimbabena izay  ambim-bola voahangona. Azo alefa amin’ny alalan’ny ireto laharam-pinday ireto: 034 29 400 04 na 032 51 447 57 na amin’ny kaonty BOA laharana 0000 9056 0023 0476 2002 01 izay foy. Azo atao ihany koa ny mitsidika ny tranokala www.valimbabena.org raha mila fanazavana fanampiny.

“Ho porofoina amin’ny eto an-tanàna sy amin’izao tontolo izao fa manan-katolotra isika”, hoy i Dama. Hanaovana tahirim-bola miainga eto Madagasikara  ihany koa no tanjona amin’ity tolo-tanana ity ka hanampiana tosika ireo manana tetikasa. “Mba hisian’ny mangarahara dia ho avoaka amin’ny tranokala ny anaran’ireo nanome tsipaipaika”, hoy ny talen’ny fampielezan-kevitr’i Dama, Manitra Andrianjohary . Misokatra ho an’ireo manana talenta  te hampandroso ny firenena ihany koa ny “Fondation Valimbabena” . Nohamafisin’i Dama fa efa vonona hiatrika ny fifidianana amin’ny 7 novambra 2018 ny tenany ary tsy anisany mitaky ny fihemoran’ny daty velively.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *