politique

KANDIDA ANDRIAMAHEFA PATRICK: Havadika ho fampandrosoana ny hetahetan’ny mponin’i Sabotsy Namehana


Tsy mampanantena poakaty, tsy mampanantena volana aman-kintana. Efa karazany mipasoka ny efa malama sisa no ataon’ny kandida ben’ny tanàna Andriamahefa Nirina Patrick mandritra ity fampielezan-kevitra ity. Nambarany fa efa nahavita nitety ireo fokontany 17 mandrafitra ny kaominina Sabotsy Namehana ny tenany sy ireo kandida mpanolontsaina avy amin’ny Alefa Sab-Nam nandritra fampahafantarana ny kandida talohan’ny fampielezan-kevitra. Ankoatra ny fihainoana ny hetahetan’ny mponina hampandrosoana ny tanàna dia nanentana ireo mpifidy ihany koa ity kandida laharana faha-3 ao amin’ny bileta tokana ity tsy hanaiky ny fividianana ny safidiny. Teny faneva ny Alefa Sab-Nam rahateo ny hoe: “tsy sandaina vola ny tanindrazana”.

Araka ny fanazavan’i Andriamahefa Nirina Patrick hatrany fa miainga amin’ireo hetahetan’ny mponina ny fampandrosoana ho tanterahina. Anisany mararin’ny vahoakan’i Sabotsy Namehana fikarakarana taratasy eny amin’ny biraon’ny kaominina. “Raha toloran’ny vahoaka tanana aho hitantana ny tanàna, anisany fanamby, tsy hanana birao manokana ny ben’ny tanàna fa eo amin’ny “accueil” no handray olona. Vita eo no ho eo taratasy karakaraina fa tsy misy miverina afaka iray na roa andro izany”, hoy izy.

Ankoatra izany, rehefa nijery ny zava-misy, nihaino ny feon’ny vahoaka izy sy ireo kandida mpanolontsaina Alefa Sab-Nam, mitondra ny laharana faha-4 ny loha lisitra dia manahirana ny mponina eny an-toerana ny tsy fahampian’ny foto-drafitr’asa toy ny fanariam-pako, lalankely, jiro sy rano, fanasan-damba ho an’ny daholobe. Eo ihany koa ny tsy fandriam-pahalemana, ny fitohanan’ny fiarakodia eo an-tampon-tsenan’ny Sabotsy Namehana. “Anisany mahatonga ny fitohanana eo an-tampom-piakarana ireo mpivarotra tsy ara-dalàna izay mila jerena ihany koa ny fisian’izy ireo”. Nohamafisin’ny kandida laharana faha-3 fa rehefa mangarahara ny fitantanana ny volan’ny kaominina dia mandeha ho azy ny fanamboarana ny foto-drafitrasa.

Lynda A.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *