politique

KANDIDA ANDRIAMAHEFA PATRICK: Handray andraikitra amin’ny tanindrazany


Tafapetraka teny amin’ny Ovec  Nanisana omaly 12 Septambra 2019 hariva ny antonta-taratasy filatsaha-kofidian’i Andriamahefa Patrick. Kandidà ho ben’ny tanàn’ny Sabotsy Namehana izy amin’ny anarana « ALEFA SAB/NAM ». Tanora maro izay voahilika tamin’ny  vondron’antoko hafa no nitambatra ka nanolotra azy. Mpanao gazety nanomboka ny taona 1991 ny kandidà Andriamahefa Patrick. Nisy fotoana tsy naha-teto an-tanindrazana azy ka ny faniriany rehefa nody teto dia ny mba hanasoa sy hitodika an-doharano mba hanasoa ny tanindrazana nihaviany. Tonga izao fotoana izao, vonona ny hitondra ny anjara birikiko aho, hoy izy. Manana vinan’asa hampandrosoana ny tanàn’ny Sabotsy namehana izy fa ho avy ny fotoan’ny fampielezan-kevitra hilazany izany.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *