politique

JULES ETIENNE: Aidina ny vidin-tsolika


Nitombo indray ny kandida handray anjara amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Taorian’ny zaika be nataon’ny antoko Madagasikara Fivoarana (MAFI), androany 05 Aprily 2018, nanao fanambarana ofisialy i Jules Etienne Rolland izay filoha nasionalin’ny antoko MAFI fa ho anisany kandida amin’ity taona 2018 ity. Ao anatin’ny vinam-piarahamonin’ny antoko politika MAFI ny fampandraisana anjara ny fokonolona amin’ny fampandrosoana. “Rehefa tonga eo amin’ny fitondrana ny tenako, ovaina ho lehiben’ny fokonolona ny lehiben’ny fokontany. Ho ampiana ara-bola ny fokontany. Aidina ny vidin’ny solika », hoy i Jules Etienne Rolland.
Teraka tany Manakara i Jules Etienne Rolland. Rahalahin-drainy ny filohan’ny Antenimierandoholona tamin’ny Repoblika voalohany, Ravony Jules. Rafozany ny Ministry ny asam-panjakana sy ny asa ary ny lalana sosialy tamin’ny andron’i Didier Ratsiraka, Georges Ruffin. Nanala ny maha kandida azy tamin’ny fifidianana filoham-pirenena ny taona 2013 i Dr Jules Etienne mba ahafahan’i Hery Rajaonarimampianina ho isan’ny kandida. Nitana ny toeran’ny Ministry ny indostria sy ny fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina kosa izy rehefa lany filoham-pirenena i Hery Rajaonarimampianina. Fito volana no nipetrahany tamin’izany toerana izany. Taorian’izay, nanohy ny asany amin’ny maha mpitsabo azy tany Parisy izy.

Lynda A.

horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *