Socio-eco

JMJ MADA X: Ho ahodina ireo fako voaangona isaky ny toeram-pandraisana mpivahiny


Ao anatin’ny hafatr’i Papa tamin’ny alalan’ny « encyclique Laudato  Si » ny fikajiana ny tontolo iainana. Anisany voizina mandritra ny JMJ MADA andiany faha-10 eto Antsirabe izany ka  hetsika maro no atao hampitàna ireo hafatra momba fiarovana ny tontolo iainana mba hitondra fiovam-pihetsika faobe indrindra ho an’ireo tanora mandray anjara amin’ny JMJ. Ny marainan’ny  31 aogositra 2022 ohatra dia nisy ny fanentanana mandehandeha (animation mobile). Nivezivezy  manerana tanan’Antsirabe ireo mpilatsaka an-tsitrapo nahazo fiofanana momba fanabeazana ara-tontolo iainana sy fiovan’ny toetrandro avy amin’ny fandaharan’asa PAGE 2/ GIZ. « Hanentana ny tanora sy ny  mponina Antsirabe amin’ny alalan’ny hafatra momba tontolo iainana, sy izay ao anatin’ny « Laudato S »i ireo fiara mivezivezy « , hoy Diana Triomphe avy ao amin’ny Vovonam-pirenena Katolikan’ny Tanora (VPKT). Fanentanana sy fiovam-pihetsika hitia  sy hanaja ny tontolo iainana, hiala amin’ny  fomba fanao taloha izay manimba tontolo iainana no ataon’izy ireo. « Hanao fihetsika hanavotana arak’izay tratra satria ny tany dia tranobe iombonana ka tokony hohajaina sy kolokoloina », hoy hatrany i Diana. Ankoatra izany dia fomba iray hanehoana fa miaro ny tontolo iainana ny fanodinana ireo fako.  » Ampiharina isaky ny toeram-pandraisana mpivahiny ny fomba fanavahana fako. Nasiana dapa-pako isaky « site » ka atokana ny fako plasitika manimba tontolo iainana, ny taratasy sy ireo fako mbola azo avadika. Miara-miasa amin’ny fitaleavam-paritrin’ny tontolo iainana (DREDD) amin’ny fanodinana ireo fako », hoy izy. Voalohany tamin’ny  fankalazana ny andro manerantany ho an’ny Tanora atao eto Madagasikara ny fisian’ny fanentanana ara-tontolo iainana tahaka izao. « Matetika  ny JMJ dia  resaka finoana, ny vavaka no mibahana fa afaka ampidirina ao amin’ny pastoralin’ny tanora ihany koa ny fikajiana ny tontolo iainana », hoy i Stéphane avy ao amin’ny VPKT. Niezaka hanana tetikasa ny tanora arindran’ny VKPT mba handraisan’ny tanora eran’ny Madagasikara anjara amin’ny fanentanan’i Papa amin’ny fiarovana tranobe iombonana. Anisan’izany ny tetikasa YOUCLIM na Youth For Climate, efa ho telo taona no nanatanterahana azy ary efa maro ny mpiara-miasa amin’izany toa an’i GIZ sy ny fikambanana Mahatsangy.

Lynda A./ Ra-Nirina

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *