Socio-eco

JMJ MADA 10: Miantso ny tanora hipetraka fa tsy hipetrapetraka, hitsangana sy sahy hanofy lalina


“Aza miandry solombavambahoaka na ministra vao handray andraikitra”.  Manasa ny tanora hipetraka, hitsangana i Mgr Raharilamboniaina Marie Fabien nandritra ny sorona Masina  fanirahana  ho famaranana ny JMJ MADA X, ny 04 septambra 2022 teny Antsahatanteraka.  Miantso ny tanora hipetraka  fa tsy hipetrapetraka,  hipetraka hanorina tilikambo iadiana amin’ny fahavalo i Mgr araka ny toerinteny nataony. “Mahaiza mipetraka fa tsy mipetrakapetraka fotsiny tahaka nataon’i Maria  rahavavin’ny Marta”.  Manasa ny tanora hitsangana ho sahy hanonofy lalina tahaka an’i Ra-Josefa ihany koa. “Mahaiza mihaino  ny nofin’Andriamanitra tahaka an’i Josefa. Hainy Rajosefa  ny manonofy, mitsangana tsy miandry maraina, hanatanteraka nofiny,  sahy manonofy sahy mitsangana na inon-kidona”, hoy izy. Nambaran’i  Mgr Raharilamboniaina fa azon’ny fakampanahy hanofy akaiky, ivelambelany ny tanora ankehitriny.  Miantso ny tanora ny tenany  tsy hiandry ho solombavambahoaka na ministra vao handray andraikitra fa mila atomboka any amin’ny fokontany misy ny tsirairay izany. Araka ny filazam-baovao teny Antsahtanteraka dia any Toamasina  no hanatanterahina ny fankalazana ny JMJ MADA andiany faha-11 izay atao amin’ny taona 2026. Marihana fa nampiavaka an’ity JMJ tany Antsirabe ity ny fanentanana ireo mpivahiny hiaro ny tontolo iainana. Fampiharana avy hatrany no natao tamin’ny fisian’ny daba-pako telo samihafa nanavaka ireo karazana fako. Niandraikitra izany ny Page2/Giz niaraka tamin’ireo mpilatsaka an-tsitrapo

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *