Socio-eco

JMJ MADA 10: Azo hamoronana asa ny fiarovana ny tontolo iainana


Nampiranty ireo zava-bitany momba ny fiarovana tontolo iainana ireo tanora isakin’ny diosezy nandritra varotra fampirantiana tamin’ny JMJ MADA 10 natao teto Antsirabe. Teny Antsahatanteraka  no nanatanterahana fampirantiana ny 03 sy 04 septambra 2022. Trano heva maherin’ny 50 no hita teny an-toerana.  Ny 44 tamin’ireo dia notohanan’ny fandaharan’asa PAGE 2/ GIZ vokatrin’ny fiarahamiasa tamin’ny Vovonam-pirenena Katolikan’ny Tanora (VPKT), mpandrindra ity fihaonamben’ny tanora andiany faha-10 ity.

JMJ MADA 10 - trano hevany ny PAGE 2 1Nanana ny trano hevany ny PAGE 2 tamin’io fotoana io ka nampahafantatra ny tanora ny karazana lalam-barotra na hetsika ataon’ny fandaharan’asa ahafahany mampihatra izany  any amin’ny toerana misy  azy.  » Ampahafantarina azy fa io tontolo iainana io sady  azo hamoronana asa no anjaratsika no miaro azy », hoy Gilberte Annie, mpanolontsaina teknika misahana ny serasera ao amin’ny fandaharan’asa PAGE 2/GIZ. Nanao fanentanana ny tanora momba fiarovana tontolo iainana koa ny ekipan’ny fandaharan’asa ka miendrika lalao no nanaovana izany. Mahazo loka izay mahavaly fanontaniana na mahavita mamorona fanentanana ara-tontolo iainana. « Fanabeazana ara-tontolo iainana no entina androany. Eto izy mamolavola an’ilay fihetsika ary afaka mampita izany any amin’ny  toerana misy azy. Fanentanana mivantana ny tanora ahafahan’izy ireo manova toetra amam-pihetsika, hanoroana azy ireo ny fomba ahafahana manentana ny mpiarabelona no ataonay »,   hoy i Gilberte Annie nanazava ny antony handraisan’ny fandaharan’asa PAGE 2 anjara amin’ny fampirantiana nandritra ny JMJ MADA natao teny Antsahatanteraka.  Anisany zava-bitan’ny tanora nampirantiana teny an-toerana ny fanodinana fako ho lasa vokatra hafa toy ny « saribao » vita avy amin’ny potika taratasy sy vovoka saribao, biriky vita avy amin’ny fakofako plastika sy fasika, satroka vita amin’ny « sachet »…Tsiahivina fa nampiavaka an’ity JMJ MADA X ity ny fampidirana tao anatin’ny  fandaharam-potoanan’ny JMJ ny resaka fiarovana ny tranobe iombonana amin’ny alalan’ny fikajiana ny tontolo iainana, araka ny hafatr’i Papa Fransoa tao anatin’ny « Laudato Si ».

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *