Socio-eco

JIRAMA : Zaraina dimy ka hatramin’ny folo volana ny faktiora amin’ity volana ity


Mitondra ny andraikiny ny JIRAMA amin’ny izao hamehana izao. Araka ny fanambarana nataon’ny Prezidàn’ny Repoblika, Rajoelina Andry omaly alina momba ny fandoavana ny faktioran’ny JIRAMA dia nanome fanazavana amin’ny fanatanterahana izany ny tomponandraikitry ity orinasam-panjakana ity. Hozaraina dimy ka hatramin’ny folo volana ny faktiora amin’ity volana Martsa ity arakaraka ny fahefan’ny mpanjifa mandoha izany. Ho an’ny mpanjifa manam-paniriana handoa inenina ka hatramin’ny impolo dia manantona ny ivon-toeran’ny JIRAMA. Tsy misakana ny handoavan’ny mpanjifa izay afaka mandoha manontolo anefa izany. Nampiditra fomba fandoavana ny faktiora ny orinasa amin’ny alalan’ny Messenger hiarahana amin’ny Accès Banque. Ho avy tsy ho ela ny an’ny Paositra Money.  Mitohy kosa ny fandoavana ny faktiora amin’ny alalan’ny finday.

Amin’ny maha orinasa mpitsinjara rano azy dia nohamafisina ny famatsiana izany, toy ny fisian’ny fiarabe mitondra rano ho an’ny toerana sahirana amin’ny fahazoana rano. Eo amin’ny lafiny famatsiana ny herinaratra kosa dia nojerena manokana ny eo amin’ny lafin’ny fanamboarana ka vonona mandrakariva izy ireo amin’ny fanamboarana raha misy ny simba. Antony fahatapahana eny amin’ny faritra sasany dia noho ny fangalaran’ny olona ny disjoncteur mipetaka amin’ny andrinjiro, ny fahatapahan’ireny câble mitondra herinaratra ireny. Miezaka izy ireo mamerina azy ireny farany izay haingana indrindra. Ankoatra izay, nohamafisina  ny fandraisana ireo antso avy any amin’ny mpanjifa satria miasa andro aman’alina ireo call center ny JIRAMA. Ezaka ho fanatsarana ny JIRAMA dia hisy ihany koa ny sampana fifandraisana amin’ny mpanjifa ka misy ny  laharana tokana 3547 azo iantsoana azy ireo manomboka ny 26 Martsa 2020. Eo ihany koa ny fametrahana fitaovana manokana handrindrana ny filaharana eny amin’ny masohivohan’izy ireo.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *