Socio-eco

JIRAMA: Madio ny rano atolotra ny mpanjifa


Manoloana ny filazana an-gazety, nivoaka androany 27 febroary 2020, izay milaza fa tsy azo sotroin’ny olombelona ny rano tsinjarainy, ny JIRAMA dia manohitra izany fanakorontanana saim-bahoaka izany ary manao izao fanambarana izao :
1- Manome antoka ny rano vokariny sy tsinjarainy hoan’ny mpanjifa ny JIRAMA.
2- Misy ny fangalana santionan’ny rano amin’ny toerana maromaro isan’andro (tobim-pamokaran-drano, tambazotra mpitsinjara rano, robinets any an-tokantrano ary paompin-dranon’ny daholobe).
3- Manana laboratoara fanaovana fitiliana « physico-chimiques » ny JIRAMA ao Mandroseza ary miara-miasa akaiky amin’ny Institut Pasteur de Madagascar amin’ny fanaovana fitiliana « bactériologique ».
4- Manaraka ny ambaratongam-panadiovana takian’ny fenitra iraisam-pirenena ny rano vokarin’ny JIRAMA manerana ny nosy (décrets n°2003-941 et n°2004-635) ary manaja ireo fenitra napetraky ny OMS.
Tsara ny manamarika fa ny fangalana santionan-drano hanamarinana ny fahadiovany dia mitaky fanajana fepetra entitra ary tsy maintsy olona manam-pahaizana no manatanteraka azy, mba hisorohana ny fandotoana tsy nahy izany santionan-drano izany.
Antitranterina ny mpanjifa fa raha misy tranga fiatoan’ny famatsiana rano dia mety hiova ny endriky ny rano. Entanina ny rehetra handefa ny robinet mandritra ny minitra maromaro mialoha ny hampiasana ny rano.
Raha misy tranga mampiahiahy, ny JIRAMA dia miantso ny mpanjifa hampandre avy hatrany hahafahana manao ny fanamarinana rehetra.
Fampitam-baovaon’ny JIRAMA OFISIALY
——————————————————————————

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *